05 Febroary 1975 : nandraisan’ny RATSIMANDRAVA fahefana

0

Feno 45 taona anio no nanolorana ny fahefana feno hitondra ny tany sy ny fanjakana an’i kolonely RATSIMANDRAVA Richard. Izy izay nanam-pahavalo teto amin’ny firenena raha ny nambaran’ireo mpahay tantara noho ireo asa vitany nandritra ny fitondrana. Tsy fantatra mazava hatrato ny tena nahafaty azy.