1990 – 2010 : 193 Tapitrisa Dolara farafahakeliny no voahodikodina teto Madagasikara

0

Vola fanampiana mitentina 193 Tapitrisa Dolara farafahakeliny no voahodinkodina teto Madagasikara raha ny fanadihadiana natao ny taona 1990 hatramin’ny taona 2010, araka ny tatitra navoaky ny Banky iraisam-pirenena. Ireo mpanao Politika teo amin’ny fitondrana, ireo nanana andraikitra ambony sy ny namany no voatonona matetika tamin’izany. Izy ireo izay nanan-danja teto amin’ny firenena ary nandairan’ny kolikoly indrindra, raha io tatitra io hatrany.