Accueil 2017 septembre

Archives mensuelles: septembre 2017

EDITO

0
Raha ny olona ivelan’ny firenena no nahare ny lahateny nataon’ny Filohampirenena malagasy teo anoloan’ny firenena mikambana, dia tena nahavelombolo tokoa. Fiakaran’ny ari- karena, fivoaran’ny fiainam- bahoaka, milamina sy mandry fahalemana ve ny firenena? Inona anefa ny zava-misy iainan'ny Malagasy ?

Ariary : mahazo aina, miakatra 8% ny sandany

0
6 hatramin'ny 8% ny tahan'ny fiakaran'ny sandan'ny Ariary tao anatin'ny 3 volana farany. Antony, ny fiakaran'ny vidin'ny lavanila fa eo ihany koa ny fiovaovan'ny sandan'ny vola vahiny indrindra ny Euros.

Tatitry ny FMI : mila ahena ny famoaham-bolam-panjakana

0
Hahena ny famoahambolam-panjakana makany amin'ny orinasa jirama sy air madagasikara amin'ny taona 2018 raha ny nambaran'ny iraky ny tahirimbola iraisampirenena teto amintsika. Mila fehezina ny fandaniana ary ampiakarina ny vola miditra amin'ny kitapombolam-panjakana amin'ny alalan'ny fampiasambola.

Fikitihina Lalàmpanorenana : miha mavaivay ny fanoherana izany

0
Tsy mitsahatra ny fanehoan-kevitra avy amin'ny antoko politika sy ny fiarahamonim-pirenena amin'ny fikasan'ny mpitondra hikitika ny Lalàmpanorenana. Tsy anjaran'ny mpitondra efa ho lany fe-potoana iasana ny mikasika Lalàmpanorenana, fa raha hatao izany dia tetika hitazomana seza, hoy izy ireo.
Hary Yvette et Sébastien Folin seront en direct sur KOLO TV et TV5 Monde

Le Tour du Monde de la Francophonie

0
Près de 50 millions de téléspectateurs de plus de 150 pays sur les 5 continents suivront ce vendredi l’émission en direct consacrée à Madagascar présentée par TV5 monde et KOLO TV dans le cadre du Tour du Monde de la Francophonie. KOLO TV accueille vendredi 22 Septembre à 11H50 le Tour du Monde de la Francophonie, émission de la chaîne culturelle mondiale francophone TV5. L’émission, un direct de 52 minutes, sera présentée par Sébastien Folin de TV5 Monde et par Hary Yvette de KOLO TV. Quel est le visage de la Francophonie à Madagascar ? Comment la jeunesse malgache la vit-elle ? La réponse à ces questions et à bien d’autres encore, sera donnée par les invités de l’émission. Ce plateau co-animé par Sébastien Folin et Hary Yvette, sera riche non seulement en débats d’idées mais aussi des différentes formes d’expressions culturelles et artistiques d’artistes jeunes et moins jeunes. Le direct, une exclusivité de KOLO TV et TV5 Monde, sera suivi par près de 50 millions de téléspectateurs du monde entier dans plus de 150 pays. Avant d’arriver dans la capitale malgache, le Tour du Monde de la Francophonie en direct aura déjà parcouru le monde. Il part du toit de TV5 Monde à Paris ce jeudi à 12H, direction Genève, Bruxelles, Cayenne, Basse Terre, Montréal, Nouvelle Orléans (Etats Unis), Monction, Vancouver, Papeetee, Aukland, Nouméa, Sydney, Séoul, Pékin, Phnom Penh, Mumbaï, Lahore, Saint Denis qui passera le relais à Antananarivo via KOLO TV qui le passera ensuite à Beyrouth, et à Kinshasa. Cette émission planétaire, spectaculaire et inédite fera découvrir la diversité francophone sur les 5 continents.  Pour KOLO TV, ce défi lui a permis de montrer et de se convaincre que la chaîne peut faire aboutir des projets d’envergure, a expliqué Mija Randriatsarafara, son Directeur général. L’émission mettra en valeur les artistes malgaches, les fera connaître au monde et à travers eux fera connaître la culture malgache, a-t-il ajouté. Sébastien Folin qui présentera l’émission avec Hary Yvette vendredi promet aux téléspectateurs de KOLO TV et de TV5 Monde, 52 minutes de bonne humeur et de bonheur… Les émissions en direct des autres pays francophones peuvent aussi être suivies sur TV5 Monde.

Le Tour du Monde de la Francophonie : Arahinao mivantana amin’ny Tv5 Monde sy Kolo TV ny zoma ho avy izao

0
"Le Tour du Monde de la Francophonie", fandaharana ara-kolontsaina miaraka amin'ny TV5 Monde sy ny Kolo TV amin'ny zoma ho avy izao eny amin'ny Gara Soarano. Arahinao mivantana amin'ireo fahitalavitra ireo, hetsika hanehoana ny fampiasana ny teny frantsay amin'ny firenena miisa 23 maneran-tany.

Fametrahana ny Haute Cour de Justice : tsy voahaja ny lalàm-panorenana

0
Hatsangana tsy ho ela ny fitsarana avo natao hitsarana ny mpitondra fanjakana na ny Haute cour de justice, raha ny voalazan'ny filohampirenena. 4 taona aty aorian'ny tokony nametrahana izany vao milaza ny filohampirenena fa ho vonona tsy hoe la ny fametrahana io rafitra io. Misy ny fahavononana hametraka izany hoy ny tenany, tsy tahaka ny fitondrana nisy tany aloha.

Taxi : nanao fihetsiketsehina ny Taxi teto Antananarivo Renivohitra

0
Taxi anarivony no nanao filaharambe omaly nanehoan'izy ireo ny fanoherana ny contre visite sy ny lanterne vaovao. Nitohana araka izany ny fifamoivoizana teto Antananarivo renivohitra ny tapakandro maraina vokatr'io hetsika io. Manohana ny hetsiky ny taxi ihany koa ny sendika autonome eo anivon'ny Kaominina Antananarivo renivohitra.  

Malagasy Miara-Miainga : manamafy fa tsy fotoana ikitihina lalàmpanorenana izao

0
Manoloana ny tsapatsapa ataon'ny mpitondra amin'ny mety hikitihina ny lalàmpanorenana, dia mbola nanamafy ny antoko Malagasy Miara-Miainga fa tsy fotoana ikitihina lalàmpanorenena izao herintaona mialoha ny tokony hanaovana fifidianana Filohampirenena izao na inona na inona ambara ho antony.

Andiany faha-47 : tsy tokony ho sakana velively amin’ny fanaovana fifidianana Filohampirenena

0
Nilaza ho manokatra adi-hevitra momba ny hanitsiana ny Lalàmpanorenana, indrindra ny andiany faha-47 mialoha ny fifidianana Filohampirenena ny Filohampirenena Hery Rajaonarimampianina nandritra ny fihaonany tamin'ny mpanao gazety ny sabotsy lasa teo. Tsy tokony ho sakana amin'ny fanaovana fifidianana Filohampirenena amin'ny 2018 anefa izany raha ny voalazan'ny CENI.