Archives quotidiennes: 14 septembre 2017

MMM : Mialà rehefa tsy mahavita fa tsy ny Lalàmpanorenana no kasihina

0
Nambaran'ny Antoko Malagasy Miara-Miainga nanoloana ny mpanao gazety omaly nandritra ny "Rentrée politique"-ny fa tapitra amin'ny faha-25 janoary 2019 ny fe-potoana fiasan'ny Filohampirenena ankehitriny. Aorian'io daty io dia Filoha lanim-bahoaka tamin'ny fifidianana vaovao no tokony ho eo. Tsy misy antony tokony hanovàna ny Lalàmpanorenana ihany koa hoy ny antoko MMM satria io no efa niasan'ny mpitondra na tsy nohajainy aza nandritra ny 4 taona. Mbola manamafy ny maha antoko mpanohitra azy ny MMM.

Betroka : Iza no maniry tsy hisian’ny fandriampahalemana?

0
Manoloana ny tsy fandriampahalemana any amin'ny faritra Betroka, tsy mandray andraikitra ny zandarimariam-pirenena any an-toerana hoy ny solombavambahoaka voafidy tany amin'iny faritra iny, izay mitaky ny fialan'ny tomponandraikitra. Ankilany kosa ny zandary milaza fa misy olona akaikin'ny olomboafidy any Betroka voarohirohy amin'ny firaisana tsikombakomba amin'ny dahalo.

Fanovàna Lalàmpanorenana : kajikajy politikan’ny mpitondra

0
Maneho ny heviny momba ny fikasan'ny fahefana mpanatanteraka hanova ny lalàmpanorenana ny Solombavambahoaka tsy miankina voafidy tany Taolagnaro. Aminy dia kajikajy politika hitazomana seza no anton'izany fikasana izany.  

Tsy fandriampahalemana : efa nandray andraikitra ny fitondrana hatramin’izay hoy ny Filohampirenena

0
Manoloana ny tsy fandriampahalemana eto amintsika, efa nandray andraikitra ny fitondrana hatramin'izay, hoy ny Filohampirenena omaly nandritra ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny RSS na ny Reforme du Secteur de la Sécurité eto Madagasikara. Ny fanohanana sy ny fanomezan-tanana avy amin'ny olompirenena sy ireo fiarahamonim-pirenena no andrasana raha ny  fanazavany.