samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 23 novembre 2017

MMM: mila mahay maka lesona ny mpitondra

0
Namoaka fanambarana omaly tolakandro ny antoko Malagasy Miara miainga. Nasongadin'izy ireo tao anatin'izany ny alahelony manoloana ny famarotan'olona ao Lybie sy ny tsy fanajana zon'olombelona amin'ny raharaha Antsakabary ary ny toe-draharaha misy ao Zimbabwe manoloana ny fametrampialan'i Robert Mugabe. Manainga ny mpitondra haka lesona sy hitsinjo ny vahoaka ny antoko Malagasy Miara Miainga.

Fitantanan-draharaham-panjakana : lesona ho an’ny mpitondra

0
Fanapahankevitra feno fahendrena ny fametrampialan'ny filoha zimbaboeana Mugabe izay nijery ny tombontsoa ambonin'ny fireneny hoy ny filoha nasionalin'ny Antoko MMM Hajo Andrianainarivelo. Tokony hahatsapa izany ny fitondrampanjakana malagasy ankehitriny. Fihainoana ny vahoaka sy fiovana famindra ataon'ny mpitondra kosa no takiana eto amin'ny firenena hisorohana ny krizy sy ny fipoahana ara-tsosialy mety hitranga, raha ny nambaran'ny mpahay lalàna nanaovana fanadihadiana.