Accueil 2017 novembre

Archives mensuelles: novembre 2017

Ady amin’ny asan-dahalo : tsy ampy ny mpitandro filaminana, mirotsaka an-tsehatra ny zazamainty

0
Manoloana ny firongatra sy ny tsy fahafehezan'ny tomponandraikitra isantsokajiny ny tsy fandriampahalemana manerana ny nosy, mahazo vahana eny ifotony, indrindra any ambanivohitra ireo zazamainty, izay maro lavitra noho ny mpitandro ny filaminana any ambanivohitra. Ny mikasika azy ireo sy ny fomba fiasany no entina aminao.

MMM: mila mahay maka lesona ny mpitondra

0
Namoaka fanambarana omaly tolakandro ny antoko Malagasy Miara miainga. Nasongadin'izy ireo tao anatin'izany ny alahelony manoloana ny famarotan'olona ao Lybie sy ny tsy fanajana zon'olombelona amin'ny raharaha Antsakabary ary ny toe-draharaha misy ao Zimbabwe manoloana ny fametrampialan'i Robert Mugabe. Manainga ny mpitondra haka lesona sy hitsinjo ny vahoaka ny antoko Malagasy Miara Miainga.

Fitantanan-draharaham-panjakana : lesona ho an’ny mpitondra

0
Fanapahankevitra feno fahendrena ny fametrampialan'ny filoha zimbaboeana Mugabe izay nijery ny tombontsoa ambonin'ny fireneny hoy ny filoha nasionalin'ny Antoko MMM Hajo Andrianainarivelo. Tokony hahatsapa izany ny fitondrampanjakana malagasy ankehitriny. Fihainoana ny vahoaka sy fiovana famindra ataon'ny mpitondra kosa no takiana eto amin'ny firenena hisorohana ny krizy sy ny fipoahana ara-tsosialy mety hitranga, raha ny nambaran'ny mpahay lalàna nanaovana fanadihadiana.

Ariary: mihen-danja hatrany, mangina ny Banky foiben’i Madagasikara

0
Mihen-danja hatrany ny sandan'ny ariary mihoatra ny Euro raha ny tarehimarika hita ao amin'ny tranokalam-pifandraisan'ny banky foiben'i Madagasikara. Tsy misy fanazavana hatreto entin'ny tomponandraikitra mikasika io fihenandanjan'ny ariary io.

Solombavambahoaka : Mitomboka ihany ny karama na tsy tonga mivory aza

0
6 hetsy sy 6 tapitrisa Ar hatramin'ny 16 tapitrisa Ar ny tambirakama raisin'ireo solombavambahoaka eny Tsimbazaza. Iray volana nisokafan'ny fivoriana ara-potoana faharoa, tsy mbola nisy ny fahatongavana 100% n'ireo solombavambahoaka miisa 151. Fanaovana lalàna sy asa goavana mitondra vokatra azo tasapian-tanana amin'ny fiainamboahoaka anefa no takian'ny be sy ny maro amin'ireo olomboafidy ireo.

Fifidianana : vao maika nasafotofoton’ny Praiminisitra ny lalàna sy ny daty hanatanterahana azy

0
Te hanao ny asan'ny governemanta sy ny mpanao lalàna ny mpanao politika sy ny firahamonimpirenena mitaky ny famoahana ny volavolan-dalàna mifehy ny fifidianana hoy ny praminisitra omaly. Tsy misy datim-pifidianana mazava navoakan'ny governemanta hatreto, daty izay angatahin'ny mpanao politika hatramin'ny faran'ny taona 2017.

Raharahampirenena: Manahy ny krizy ateraky ny fifidianana ny vondrona Eoropeana sy ny parlemanta Eoropeana

0
Mikasika ny tolokevitra avy amin'ny parlemanta Eoropeana mahakasika an'i Madagasikara. Tsy midika ho fitsabahana kosa ny famoahana io fehinkevitra io raha nambaran'ny masoivohon'ny vondrona eoropeana izay manahy ny amin'ny rahraha politika eto amin'ny firenena. Tsy anjaran'izy ireo no manampakevitra amin'ny raharaha anatin'ny firenena hoy kosa ny praiminisitra.

Edito

0
Zarina toloram-potsiny ny Malagasy. Fetibe no natao nanolarana ilay « Kits scolaires » ho an’ny mpianatra ny Alarobia lasa teo. Io andro io ihany, nolanian’ireo solombavambahoaka miisa 75 tsy nasiana adihevitra teny Tsimbazaza ora iray latsaka ny volavolan-dalana hifehy ny fitantanam-bolam-panjakana amin’ny taona 2018. Fanambaniana sy fanabadoana ny Malagasy, io indray no endrim-pitantanana hitan’ny mpitondra hitondrana ny firenena, rehefa tsy manana politika sy vina ho entina hampandrosoana ny toekarem-pirenena izy ireo.

Andrakaraka : mihamafy ny toe-draharaha, atahorana ny adim-poko

0
Mihamafy ny toe-draharaha any Andrakaraka Taolagnaro amin'izao fotoana izao taorian'ilay famonoana olona tany an-toerana ny faha 06 ny volana Novambra lasa teo. Atahorana hiroso amin'ny adim-poko ny mponina any an-toerana raha tsy misy ny fandraisana andraikitra ataon'ny mpitondra fanjakana .

Cache-misère

0
On habitue les Malgaches à être des éternels assistés. C’est ce qui ressort de la distribution de kits scolaires par le chef de l’Etat, devenue une véritable fête mercredi. Et pourtant, le même jour, ceux qu’on appelle « les députés » ont adopté sans amendements en 45 minutes, la loi des finances 2018. Infantilisation et humiliation sont actuellement les modes de gouvernance à défaut de stratégie économique performante pour sortir le pays de la misère. Sommes-nous en pleine campagne électorale ? La question était sur toutes les lèvres mercredi lors de la distribution par le chef de l’Etat de kits scolaires aux écoliers à Antsonjombe. Plusieurs artistes ont animé cette manifestation devenue une journée festive. Pour les observateurs, la manifestation était organisée pour masquer les défaillances du régime, qui joue continuellement aux pompiers compte tenu de son incapacité à mettre en place une politique de développement à long terme. Pour des parents interrogés à cette occasion, cette distribution de kits scolaires est faite pour sauver les apparences et pour montrer à la face du monde que les dirigeants sont en mesure de distribuer des fournitures aux écoliers dont une grande partie vient pourtant en classe le ventre vide et est scolarisée dans des établissements délabrés. Cette œuvre de charité a été ressentie par ces parents comme une humiliation. « Nous voulons un travail qui nous permette de faire face avec dignité à nos devoirs parentaux », ont-ils fait valoir. « Nous ne voulons pas de pitié », ont-ils dit en substance. Qu’en est-il du Plan National de Développement censé mener vers un décollage économique réel tel que promis par les dirigeants ? Ce même jour pour la première fois à l’Assemblée nationale, 75 députés ont adopté sans débat et sans amendement, en un temps record de moins d’une heure la loi des finances 2018. Si cette loi des finances 2018 ne semble pas avoir été d’un grand intérêt pour eux, ce qui les motive par contre est la destitution du bureau permanent de l’Assemblée nationale. Certains d’entre eux, n’ont en effet pas été dotés de 4X4 Mazda BT-50 par le pouvoir exécutif et en imputent la faute à ce bureau permanent. D’où le comportement de mépris qu’ils ont eu envers l’adoption de la loi des finances dont dépend pourtant la vie de la nation toute entière et de plus de 22 millions de Malgaches. Entre humiliation et mépris pour la population, force est de constater que les dirigeants actuels n’ont pas été préparés à gouverner. Leurs actions sont des cache-misères pour le peuple. Leur comportement est indigne de personnes responsables qui œuvrent pour le développement du pays et pour rendre la dignité à sa population.