Accueil 2017 novembre

Archives mensuelles: novembre 2017

AKSAF Power Ambohimanambola : 80 tapitrisa dolara no nampiasaina.

0
Notokanana omaly maraina ny milina lehibe miisa 11 mandeha amin'ny solika mavesatra an'ny orinasa AKSAF Power Ambohimanambola, izay hamatsy herinaratra ny orinasa Jirama. Fotodrafitrasa izay nandaniana vola mitentina 80 tapitrisa dolara araka ny nambaran'ny talen'ny Aksaf Power.

Sendikan’ny mpiasan’ny fananantany sy ny mpandrefy tany : aza ahilika amin’ny teknisiana ny rihitra

0
Tsy tokony ahilika amin’ny teknisiana ny fahadisoan’ny mpanao politika hoy ny sendikan’ny mpiasan’ny fananantany sy ny mpandrefy tany io tolakandro io tetsy Anosy, momba ny raharaha nivarotana ny Villa Elizabeth etsy Ivandry.

Fitrandrahana volamena – Vohilava : manome herinandro ny mponina hanesorana ny fitaovan’ny sinoa

0
Manome fe-potoana herinandro ny fanjakana sy ireo sinoa mitrandraka volamena ao amin'ny kaominina Vohilava, distrikan'i Mananjary ny mponina hanesorana ireo milina fitrandrahana volamena any an-toerana. Ny orinasa sinoa Mac Lai Sime Gianna izay tsy manana taratasy ara-dalàna ahafahana mitrandraka.

EDITO

0
Kajikajy politika ho fanomanana ny fifidianana Filohampirenena amin'ny taona 2018, ny zava-nitranga tao amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona ka nametrahana ny filohan’ny Antoko HVM RAKOTOAVAO Rivo ho Filohan’ity Andrimpanjakana ity, na dia tsy mifanaraka amin’ny lalàna aza. Tsy diso ny fanadihadiana taorian’ny fihaonan’ny mpanao gazety tamin’ny Filohampirenena ny faha-16 septambra lasa teo teny amin’ny Lapàn’Iavoloha fa ho kandidà amin’ny fifidianana Filohampirenena amin’ny taona 2018 i RAJAONARIMAMPIANINA Hery, Filoha amperinasa.

Un Etat-parti

0
L’élection du sénateur Rivo RAKOTOVAO au poste de président de la chambre haute traduit les calculs politiques des dirigeants. Un acte anticonstitutionnel qui vise à favoriser le chef d’Etat actuel lors de la prochaine présidentielle. La destitution du président du Sénat n’est pas clairement définie dans la loi fondamentale malgache. L’article 74 de la constitution stipule que :« Le Président de l'Assemblée Nationale et les membres du Bureau sont élus au début de la première session pour la durée de la législature. Toutefois, ils peuvent être démis de leurs fonctions respectives de membres de Bureau pour motif grave par un vote secret des deux tiers des députés. » Par analogie, cet article s’applique également au président du sénat comme l’annonce l’article 85 du même texte. Cependant, concernant Honoré RAKOTOMANANA, aucun motif grave ne lui a été imputé. Ce fait pourrait donc amener à dire que l’ancien président du sénat a été contraint de démissionner pour servir les intérêts des dirigeants. Des intérêts se rapportant aux détails cités dans l’article 46 et 47 de la Constitution. Selon ces articles, le président de la République en exercice doit présenter sa démission soixante jours avant l’élection présidentielle s’il compte se présenter comme candidat, et durant cette période devra être remplacé par le président du sénat. Rappelons que le chef d’Etat actuel a insisté pour réviser ces deux articles. Toutefois, de nombreux acteurs tant nationaux qu’internationaux se sont dressés contre ce projet, si l’on ne cite que les partenaires de Madagascar tels que le PNUD ou l’Union Européenne. Face à cette levée de boucliers, les dirigeants ont dû faire volte-face et opter pour un plan B. Celui-ci consiste à placer le numéro 01 du parti HVM au poste de président du Sénat, afin que lorsque Hery RAJAONARIMAMPIANINA déposera sa démission, Rivo RAKOTOVAO prendra sa place. Ainsi, le parti politique du pouvoir en place pourra garder le contrôle de la gestion de l’Etat. Selon les observateurs, ces calculs politiques vont également permettre aux dirigeants de se servir de toutes les prérogatives de puissance publique pour l’élection présidentielle de 2018. Enfreindre les lois ne semble plus poser de problème aux dirigeants, tant que cela leur permet de garder leurs places et de maintenir leurs avantages. L’exemple de l’élection de Rivo RAKOTOVAO à la tête du Sénat en est la preuve concrète. Un acte que de nombreux juristes, hormis les membres de la HCC, n’ont pas hésité à condamner. En effet, la HCC est restée muette jusqu’à ce jour. Ce gardien de la Constitution n’a émis aucun commentaire concernant l’élection du nouveau président du Sénat, alors que de nombreux juristes qualifient cette élection d’acte anticonstitutionnel. Ces violations de la loi au vu et au su de tous, sont commis par les dirigeants sensés donner l’exemple. Force est de constater que Madagascar est loin d’être un Etat de droit, il est de plus en plus un Etat-parti…

Tohodrano sy lakandranon’i Dabaraha : lasa resaka politika?

0
Mbola mampifanjinja ny mponina any amin'ny disitrikan'i Mahabo sy ny mponina any amin'ny disitrikan'i Morondava ny fitsinjarana rano avy amin'ny tohodrano sy lakandranon'i Dabaraha hatramin'izao. Tsy mahita vahaolana maharitra ny fitondram-panjakana. Mandeha ihany koa ny resaka fa misy ambadika politika ny fihetsiketsehina ataon'ireo mponina avy amin'ny disitrikan'i Morondava.

Lalàmpifidianana vaovao : mitaky ny hamoahana izany haingana ny Antoko politika sy fiarahamonimpirenena maro

0
Nivory tao amin’ny hotely Colbert Antaninarenina omaly ireo antoko politika sy fiarahamonimpirenena maro mitaky ny hamoahan’ny governemanta faran’izay haingana ny volavolan-dalana mifehy ny fifidianana.

Fanaovana lalàmpifidianana : arirariran’ny mpitondra

0
14 andro aty aorian’ny nanokafana ny fivoriana faharoa ara-potoan’ny Antenimierampirenena dia mbola tsy tonga eny Tsimbazaza ny volavolan-dalàna hifehy ny fifidianana filohampirenena amin’ny taona 2018. 13 volana anefa sisa ny fotoam-piasan’ny Filohampirenena ankehitriny araka ny lalàmpanorenana. Misy antony ve no tsy maharototra ny mpitondra hanolotra io volavolan-dalàna io ?

Doing Business 2018: Nivoatra i Madagasikara saingy mbola mila ezaka

0
Niroso ny laharana misy an'i Madagasikara amin'ny tatitry navoakan'ny Banky iraisam-pirenena mikasika ny fandraharahana na ny classement Doing Business ho an'ny taona 2018. Nisy ny fivoarana saingy mbola misy ny ezaka tokony hatao. Ny famoronana orinasa sy ny fahafahana mindram-bola no nahitana io fivoarana io.

01 novambra: Fotoana ahatsiarovana ireo olomasina ho an’ny mpino katolika

0
Ny voalohany volana novambra, fety fankalazana ny fetin'ny olomasina ary fety voadidy hamasinina toy ny andro alahady ho an'ny fiangonana katolika. Nisongadina tao anatin'ny fanamarihana izany, ny toetra tokony manahaka an'i Kristy sy ny fiombonan'ny olomasina.