Accueil 2017 décembre

Archives mensuelles: décembre 2017

Manga Mania Festival : nanomboka omaly ny andiany faha-6

0
Nisokatra omaly ny festival Manga Mania andiany faha-6 izay nokarakarain'ny Kolo tv. Tanora maro no tonga nanatrika izany teny amin'ny gymnase couvert Ankorondrano. Maro ihany koa ireo hetsika nokarakaraina teny an-toerana indrindra ny mikasika ny kolontsaina Aziatika.

Praiminisitra : Amin’ny 2018 ny fifidianana filohampirenena

0
Tsy maintsy amin'ny taona 2018 no hanatanterahana ny fifidianana filohampirenena raha ny voalazan'ny praiminisitra lehiben'ny governemanta. Mandeha ny fifampidinihana mikasika lalàna momba ny fifidianana miaraka amin'ireo vondrona politika sy fiarahamonimpirenena raha ny fanazavany hatrany. Tsy fantatra mazava kosa ankilan'izay ny fepetra apetraka amin'ny fifampidinihana atao amin'ireo vondrona politika ireo.

Lalàna hifehy ny fifidianana : mbola tsy hita hatramin’izao ny votoatiny

0
Ny Sabotsy faha-25 novambra no nahazo fankatoavana nandritra ny filankevitry ny minisitra natao tany Mahajanga ireo volavolan-dalàna miisa 3 hifehy ny fifidianana. Hatramin’izao anefa dia mbola tsy fantatra ny votoatin’ireo lalàna ireo.

Sendikan’ny mpiasam-panjakana : mitaky ny fanefana ny karaman’izy ireo ao anatin’ny 48 ora

0
Mitaky ny fanefana ny karaman'izy ireo ao anatin'ny 48 ora ireo mpiasam-panjakana mivondrona ao anatin'ny SSM na ny Solidarité Syndicale de Madagascar. Tsy eken'izy ireo ny fanapahana ny karaman'ireo mpiasa tao anatin’ny volana vitsivitsy izay. Mpikambana maro ao anatin'ity sendika ity no nilanja sora-baventy maneho izay fitakiana izay nanoloana ny ministeran'ny fitatanam-bola sy ny teti-bola.  

Tsy fandriampahalemana : Tsy hita eny amin’ny vahoaka ny asan’ny mpitandro filaminana

0
Hita taratra hatrany ny firongatry ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara noho ny fitotonganan'ny toekarena sy ny fitombon'ny fahatrana. Trangana fakana ankeriny roa no nisy ny herinandro lasa teo. Tsy hita ny fiarovana ny vahoaka ataon'ireo mpitandro filaminana. Ny mpitondra sy ny manodidina azy hatrany no tsara ambina.

Fampandrosoana firenena : Fapandriana adrisa fotsiny ny resaka ataon’ny mpitondra

0
Milaza ho mahatsapa ny fahoriambahoaka ny filohampirenena nandritra ny Fotoambita nivoaka farany teo. Fanabatiana ny vahoaka Malagasy no andraisan'ny maro io nataon'ny mpitondra io. Tsy misy ny fandraisana andraikitra na mandray fepetra tsy mahavaha olana manoloana ny fahantrana mihoapapana iainan'ny vahoaka sy ny firenena izay latsaka ankaterena.

Mpanolontsaina manokan’ny Filohampirenena : tsy miafina amin’ny fanararaotam-pahefana

0
Tsy tahotra, tsy henatra intsony ny fanararaotam-pahefana ataon’ny Mpanolontsaina manokan’ny Filohampirenena ankehitriny amin’ny fakana ny fananam-panjakana ho an’ny tenany manokana. Fotodrafitrasam-panjakana efa nisy no mody amboarina dia ambara ho fanatanterahana ny 3P. Tsy nasiana tolobidy na “Appel d’offre”.

HCC : notsipahin’ny ny fanaovan’ny Lehiben’ny distrika « jugement supplétif »

0
Nambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana fa tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenena ny fanatanterahin’ny lehiben’ny distrika, ny Préfet de police ny fitsarana mitety vohitra ho fanomezana karampanondrom-pirenena ireo izay mbola tsy manana. Hisy vokany eo amin’ny fanatanterahana ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana izany, hoy ny Filoha lefitry ny CENI.

Basket Fund : hampiasaina amin’ny fifidianana Filohampirenena

0
Tsy azo ampiasaina afa-tsy amin’ny fifidianana Filohampirenena ireo vola ao anaty Basket Fund avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara. Nanamafy izany tamin’ny Filohampirenena Hery Rajaonarimampianina nandritra ny Dialogue politique farany teo ny Vondrona Eropeana, araka ny loharanom-baovao voaray.

Politika ara-toekarena malagasy: mitohy ny adihevitra

0
Mbola mitohy ny ady hevitra mikasika ny politika ara-toekarena sy ara-bola mety amin'ny firenena malagasy raha ny voalazan'ny governoran'ny banky foiben'i Madagasikara. Fehezina amin'ny tarehimarika iray ny tahan'ny fiakaran'ny vidim-piainana. Izay aloha ny tanjona apetraka raha ho an'ny firenena malagasy manokana, raha ny fanazavana hatrany.