Archives quotidiennes: 5 décembre 2017

Permis biométrique : hosoka sy famitahana ny Malagasy

0
Famitahana ny Malagasy. Izay ny azo amehezana ny permis biométrique naparitaka teto amintsika. Ny resaka kalitao no nolazain'ny avy eo anivon'ny minisiteran'ny atitany fa olana saingy raha ny fanandramana natao, tsy mitombina velively izany fanazavana izany. Tsy misy in'inona mivoaka rehefa jerena ny QR code amin'ireo efa miparitaka. Tsy nety nanome fanazavana intsony androany ny avy eo anivon'ny CIM sy ny minisiteran'ny atitany. Fanontaniana maro anefa no ilana valiny.

Lalàna hifehy ny fifidianana : mbola tsy hita popoka

0
Tsy hita popoka intsony ireo volavolan-dalàna 3 hifehy ny fifidianana. Manao be marenina amin’ny fitakian’ny fiarahamonim-pirenena sy ireo mpanao politika ny amin’ny tokony hampahafantarana ny olompirenenena ny votoatin’ireo ny mpitondra. Hatramin’ny omaly hariva, mbola tsy tonga eny amin’ny Antenimierampirenena ireo volavolan-dalàna ireo.