samedi 27 avril 2024
Accueil 2018 janvier

Archives mensuelles: janvier 2018

Filohampirenena : mpitari-bato vilam-bava ?

0
Nanasa mpanao gazety sy ireo heveriny ho Herivelona eto amin’ny firenena ny Filohampirenena RAJAONARIMAMPIANINA Hery teny amin’ny Lapàn’Iavoloha. Fanasana ny faha-4 taona nanaovany fianianana ka nandraisany ny fahefana no sady ihany koa fotoana namelabelarany tamin’ireo nasaina ny Vinany « Fisandratan’i Madagasikara ».

HCC : voatendry ny mpikambana farany mandrafitra azy

0
Notendrena omaly ny mpikambana iray mameno isa ny mpikamba ao amin'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana. RABETOKOTANY Tahina, izay efa mpikambana teo anivon'ny filankevitry ambon'ny mpitsara teo aloha no notendren'ny filohan'ny repoblika hanolo ilay mpikambana teo aloha namoy ny ainy.

Houcine ARFA : mangingina ny eto Madagasikara, mitohy ny vaovao any ivelany

0
Raha toa ka mangina sy ezahan'ny fitondrana ampanginina ny raharaha Houcine arfa eto Madagasikara, mitohy ny fampielezana vaovao mikasika izany any ivelany. Nofintinin'ny rfi tamin'ny lahatsoratra lava dia lava ny raharaha Houcine Arfa nanomboka tamin'ny fivoahan'ny firenena malagasy. Andrasana kosa ny tohin'ny fanadihadiana maro nosokafana momba io raharaha io eto Madagasikara raha ny voalazan'i Le parisien.

HCC : mitombo hatrany ny lalàna tsy mifanaraka amin’ny lalampanorenana

0
Misy andinin-dalàna tsy mifanaraka amin’ny lalampanorenana ihany koa ny lalàna momba ny fivoaran’ny indostria eto Madagasikara raha ny fanapahankevitra navoakan’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana. Tokony ho lalàna no hifehy ny rafitra manokana ANDI apetrak’io lalàna momba ny indostria io fa tsy fitsipika anatiny. Endrika fanitsahana ny lalampanorenana hafa indray io nataon’ny governemanta io tamin’ny alalan’ny ministeran’ny indostria.
editorial

Corruption

0
Les nouvelles déclarations chocs du fugitif Houcine Arfa, cette semaine, ont fait scandale. L’année débute à peine, que les esclandres du régime HVM continuent à défrayer la chronique. A Madagascar, les promesses d’un Etat de droit ne sont que chimère. Le régime actuel cumule les faux pas. A peine entamons-nous cette nouvelle année que les histoires de corruption refont surface, mettant en premier lieu les dirigeants sous le feu des projecteurs. Les rebondissements dans l'affaire Houcine Arfa, cette semaine, en sont une parfaite illustration. Au début de la semaine, ce prisonnier fugitif a fait une déclaration à la presse française, accusant la ministre de la justice et la procureure générale en charge de son dossier d’avoir accepté des pots-de-vin pour contribuer à son évasion. Et pourtant, jusqu’à hier, la ministre concernée s’est terrée dans son silence, tandis que d’autres membres du gouvernement tentent, tant bien que mal, de noyer le poisson. Ces réactions soulèvent moult interrogations auprès de l’opinion publique, et de l’ensemble du corps judiciaire, dénonce le syndicat de la Magistrature de Madagascar par le biais des déclarations de Fanirisoa Ernaivo, présidente de ce syndicat. D’autre part, de nombreuses affaires impliquant des hauts fonctionnaires de l’Etat, au cours des quatre ans de mandat du régime RAJAONARIMAMPIANINA, sont également restées sans suite, à l’exemple de l’affaire Claudine RAZAIMAMONJY, de la vente d’une partie de la propriété où est bâtie la villa Elizabeth, de la vente de l’arboretum d’Ambatobe, ou encore de celle de la zone de recasement sise à Ankorondrano Ankazomanga. La priorisation de leurs intérêts personnels a amené les dirigeants à céder les biens de l’Etat aux plus offrants, et à passer outre les lois en vigueur sur le territoire, alors que la population est la seule à en faire les frais. Le gouvernement n’a mis en place aucune politique de développement durable et efficace. Les conséquences des ravages causés par le passage du cyclone AVA en sont la preuve. Les Malgaches ne sont plus dupes. Ils ne cèdent plus aux belles promesses, aux discours sans lendemain des dirigeants. Pour cette année, la nation toute entière exige une élection présidentielle afin de donner un nouveau départ au pays et exclure du régime ceux qu’ils n’estiment plus digne de les diriger.

Fifidianana : Hanara-maso ny mpanao politika na misy aza ny kajikajy atao.

0
Isan'ireo noresahana tao anatin'ny fandaharana ankitsimpo farany teo ny mikasika ny fikarakarana sy fanomanana ny fifidianana amin'ity taona ity. Noresahan'ireo vahiny tao anatin'izany ny kajikajy ataon'ny mpitondra hifehezana ny fifidianana. Nanamafy kosa ny mpanao politika fa hanara-maso akaiky ny fizotran'izay fifidianana izay.

EDITO du 22 janvier 2018

0
Vao miandoha ny taona, miharihary sahady ireo endrika fandikan-dalàna ataon'ny mpitondra sy ireo mpiara miasa akaiky aminy. Mijanona ho angano sy arira ihany hatreto ny tany tan-dalàna dradradradrain'ny mpitondra fa ampiarina eto Madagasikara.

Raharaha Houcine : manadio tena sy manilika andraikitra ny tomponandraikitra voatonotonona

0
Raha efa notadiavina sy nandrasan’ny mpanara-baovao nandritra ny 2 andro ny fanehoan-kevitra avy amin’ireo tomponandraikitra notonotononin’ilay teratany frantsay nandositra ny fonja teto Madagasikara Houcine Arfa, omaly tolakandro, tamin’ny 4 ora, vao nampiantso mpanao gazety ny « Procureur de la République », izay notronon’ny « Directeur de la Police Judiciaire ». Niezaka nanadio tena sy nanilika andraikitra tamin’io fandosirana ny fonja io ny « Procureur de la République ».

Ceni : niezaka nandresy lahatra ny mpanao politika fa tsy mihevitra ny hanemotra fifidianana Filohampirenena

0
Nandritra ny andro fahatelo farany tamin’ny fihaonan’ny mpanao politika sy ny CENI teny Nanisana omaly maraina no niezahan’ity Vaomiera Mahaleotena misahana ny fifidianana ity nandresy lahatra ny mpanao politika fa tsy antony tokony hanemorana fifidianana ny tsy faharisian’ny mpifidy misoratra anarana anaty lisi-pifidianana.

Raharaha Houcine : voahitsakitsaka ny hasin’ny fitsarana Malagasy

0
Voahitsakitsaka ny hasin'ny fitsarana malagasy manolona ny raharaha Houcine Arfa izay mahavoatonontonona tomponandraikitra ambony eto amin'ny firenena, raha ny fanehoankevitry ny sendikan'ny mpitsara eto Madagasikara. Hatreto, tsy mbola fantatra ny tena marina mikasika iny raharaha iny. Mangina ireo voatonotonona.