Archives quotidiennes: 16 janvier 2018

Grevy Ankatso : olon-tsotra iray sy mpitandro filaminana iray naratra.

0
Olon-tsotra iray sy mpitandro filaminana iray no naratra vokatry ny tora-bato nataon'ireo mpianatra teny Ankatso omaly. Antony, nanao hetsika fitakiana ny vatsim-pianarana izay mbola tsy voaloa izy ireo. Tsy maintsy hivoaka amin'ity herinandro ity ny tetiandro famoahana izany hoy ny tomponandraikitra.

eVisa: Iza avy no tomponantoka ?

0
Araka ny vaovao efa narahina teto amin'ny Kolo Tv, nanomboka tamin'ity taona 2018 ity ny fakana ny vola alaina amin'ny visa eny amin'ny seran-tsambo sy seranam-piaramanidina ataon'ny orinasa tsy miankina iray izay nataon'ny sampandraharaham-panjakana teo aloha. Mpandraharaha mpanolontsainan'ny filohampirenena iray no voalaza ho tompon'ilay orinasa mandray io vola io.