vendredi 26 avril 2024
Accueil 2018 février

Archives mensuelles: février 2018

Fivoriana tsy ara-potoana : nangina ny teny Tsimbazaza

0
Roa andro taorian'ny fanokana ny fivoriana tsy ara-potoana teny anivon'ny antenimieram-pirenena, anio vao hiditra amin'ny fanapahana ny ho lahadinika na ordre du jour ny parlemanta. Omaly no nanaovana ny fivorian'ny Birao maharitra sy ny Conférence des présidents.

Lisi-pifidianana vonjimaika : niakatra 5.9% ny isan’ny mpifidy

0
Nahitana fiakarany 5.9% ny isan'ireo mpifidy voasoratra anarana tamin’ity taona 2018 ity raha ampitahaina ny tamin'ny taona 2017, raha ny lisitra vonjimaika navoakan'ny CENI omaly. Manana 20 andro ny mpifidy hanamarina ny anarany. Aorian'ny 15 Aprily kosa araky ny tetiandro no hivoaka ny lisitra tena izy.

Fivoriana tsy ara-potoana : nanomboka omaly

0
Ny roa ampahatelon’ireo Solombavambahoka no tonga nanatrika ny fotoana fanokafana ny fivoriana tsy ara-potoana voalohany teny Tsimbazaza omaly tolakandro. Nomarihin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena fa zava-dehibe hiankinan’ny hoavin’ny firenena ny hodinihina mandritra ity fivoriana tsy ara-potoana ity.  

Fivoriana tsy ara-potoana : mbola tsy tonga eny Tsimbazaza ireo lalàna fehizoro hifehy ny fifidianana

0
Hatramin’ny fotoana niafaran’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, mbola tsy tonga teny anivon’ny birao maharitry ny Antenimiera ireo volavolan-dalàna fehizoro hifehy ny fifidianana ireo.  

Fanjakan’ny kolikoly : Laharana faha 155 amin’ny firenena 180 i Madagasikara

0
Nihemotra laharana 7 raha oharina ny taon-dasa ny laharan'i Madagasikara eo amin'ny firenena ahitana kolikoly, araka ny vokatry ny IPC na ny Indice de Perception de la Corruption. Nihena 2 ihany koa ny isa azo teo amin' izay ady amin'ny kolikoly izay. Ireo trangana kolikoly nataona olona akaiky ny fitondrana sy ireo raharaha maro eo anivon'ny sehatrasam-panjakana samihafa , nahitana endrika kolikoly no isan'ny nahatonga ny toeran'i Madagasikara ratsy hoy ny tale jeneralin'ny BIANCO.

ENMG: Nesorina ilay DAF voasaringotra amin’ny resaka kolikoly, averina ny fanadinana.

0
Haverina amin'ny andro tsy mbola voafaritra ny fifaninanana hidirana ho mpitsara sy mpiraki-draharaha notontosaina tamin'ity volana ity. Noesorina tamin'ny toerany ihany koa ilay tale misahana ny fitantanana ara-bola eo anivon'ny sekoly ambony ENMG izay voasaringotra amin'ny raharaha kolikoly hampidirana mpianatra.

Fifidianana filohampirenena: Mitady paikady hanemorana azy ny mpitondra.

0
Miteraka adihevitra ary mampametrampanontaniana ny mpanara-baovao ny mikasika ny fifidianana solombavambahoaka. Mitana ny sain'ny maro sy ireo mpisehatra rehetra ihany koa ny firosoana amin'ny fifidianana filohampirenena mialoha an'io fifidianana solombvambahoaka io. Tranga izay nakatoavin'ny HCC fa mifanaraka amin'ny lalampanorenana.

Antenimera : tsy manao ny asany, variana miady tombotsoa manokana

0
Natsikafin'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana, tamin'ny alalan'ireo fanapahankevitra samihafa navoakany, ny fomba fiasan'ny antenimiera eto amintsika. Tsy misy na kely aza ny fandinihana ireo lalàna alefan'ny governemanta eny amin'ny antenimiera, raha ny navoakan'ny HCC no jerena.

IEM- Andry RAJOELINA : miantso ny tia tanindrazana hampandroso an’i Madagasikara

0
Niteraka adihevitra sy fanantenana ho an'ny mpanara-baovao ny fampahafantarina nataon'ny filohan'ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina, mikasika ny Initiative pour l'Emergence de Madagascar. Isany nisongadina nandritra io malebelarana io ny fifonana nataony amin'ny vahoaka tamin'ny nanohanany ny filohan'ny repoblika ankehitriny izay tsy nanatanteraka ny fampanantenana nataony.

Ampamarinana : Tsy mbola fantatra mazava ny tany omena ireo ho arodana trano

0
Omaly concret no nanomboka ny famindrana ireo mponina maherin'ny 100 eny Ampamarinana taorian'ny fianjerana vato lehibe iray teny an-toerana ny Sabotsy lasa teo. Mbola tsy mazava ny toerana omena ireo tompon'ny trano 9 ho ravàna araka ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana. Misy amin'ireo mponina voakasika no tsy manaiky manoloana izany.