vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 23 février 2018

Fanjakan’ny kolikoly : Laharana faha 155 amin’ny firenena 180 i Madagasikara

0
Nihemotra laharana 7 raha oharina ny taon-dasa ny laharan'i Madagasikara eo amin'ny firenena ahitana kolikoly, araka ny vokatry ny IPC na ny Indice de Perception de la Corruption. Nihena 2 ihany koa ny isa azo teo amin' izay ady amin'ny kolikoly izay. Ireo trangana kolikoly nataona olona akaiky ny fitondrana sy ireo raharaha maro eo anivon'ny sehatrasam-panjakana samihafa , nahitana endrika kolikoly no isan'ny nahatonga ny toeran'i Madagasikara ratsy hoy ny tale jeneralin'ny BIANCO.

ENMG: Nesorina ilay DAF voasaringotra amin’ny resaka kolikoly, averina ny fanadinana.

0
Haverina amin'ny andro tsy mbola voafaritra ny fifaninanana hidirana ho mpitsara sy mpiraki-draharaha notontosaina tamin'ity volana ity. Noesorina tamin'ny toerany ihany koa ilay tale misahana ny fitantanana ara-bola eo anivon'ny sekoly ambony ENMG izay voasaringotra amin'ny raharaha kolikoly hampidirana mpianatra.