Archives quotidiennes: 3 avril 2018

Edito du 3 avril 2018

0
Volana vitsivitsy mialohan'ny hanatanterahana fifidianana, miroso hatrany amin'ny fametrahana ny fanjakana jadona eto amin'ny firenena ny fitondrana HVM. Rehefa hita mazava ny tsy fankasitrahan'ny vahoaka ny mpitondra ankehitriny, na amin'ny alalan'ireo solombavambahoaka, na amin'ny alalan'ny famoriam-bahoaka ataon'ny mpitondra, famerana ireo mpifananadrina ara-politika amin'izy ireo tsy hihaona amin'ny vahoaka mpanara-dia azy tsirairay indray no ilofosan'ny mpitondra mafy.

MMM : manameloka ny fanitsahana ny lalampanorenana

0
Manoloana ny toe-draharaha misy eto amin'ny firenena, ny fanitsahana ny didy aman-dalàna ataon'ny mpitondra, ny fanaovana tery vay manta ny fandaniana ny lalàna momba ny fifidianana, sy ny tsy fanajana ny zon'olombelona amin'ny endriny maro ataon'ny mpitondra ankehitriny , namoaka fanambarana ny antoko Malagasy miara miainga manameloka ireo. Tokony ho mailo ny rehetra amin'ny lalàm-pifidianana izay terena ho lanian'ny solombavambahoaka ankehitriny.

Lalam-pifidianana : tambazana 40 tapitrisa Ariary ireo solombavambahoaka hampandany azy.

0
Nandeha ny feo fa ho tambazana 40 Tapitrisa Arairy ireo Solombavambahoaka HVM sy mpomba ny fitondrana hampandany ny lalàna hifehy ny fifidianana. Nitohy omaly ny ady hevitra sy ny famoriana azy ireo izay efa nanomboka ny zoma faha 30 ny volana martsa lasa teo.

Fanasana ny Filohan’ny Tetezamita tany Mahajanga : tsy zakan’ny Filohampirenena ankehitriny

0
Indro atolotra anao ny fizotran'ny tranga tany Mahajanga, izay niandrasan'ireo mpomba ny Filohan'ny tetezamita teo aloha RAJOELINA Andry, saingy nambara ho nosakanan'ny Filohampirenena ny fiaramanidina saika hitondra azy nihazo an'i Mahajanga. Tranga izay nanomboka ny Alakamisy faha-29 martsa sy ny tontolo andron'ny Zoma faha-30 martsa lasa teo.