Archives quotidiennes: 4 avril 2018

Antenimierampirenena : nandresy ny herin’ny vola

0
Nanaovan’ireo solombavambahoaka mpanohana ny fitondrana am-boletra ny fandaniana ireo volavolan-dàlana miisa 3 hifehy ny fifidianana natolotry ny mpitondra HVM, tsy nasiam-panitsiana ary ny lalàna hifehy ny ZES. Nandresy indray ny herin’ny vola, hoy ireo Solombavambahoaka avy amin’ny Malagasy Miara-Miainga, MAPAR, TIM ary ireo tsy miankina, izay nanisy fanitsiana sy fanatsarana ireo volavolan-dalàna ireo.

Vidin-tsolika : miaka-midina

0
Miaka-midina ny vidin-tsolika tao anatin'ny 24 ora monja. Niemotra indray ve ny fanjakana manoloana ny fampiharana ny vidiny tena izy? Inona ny fifanarahana farany natao tamin'ireo mpaninjara solika? Fifanarahana politika avo lenta no misy amin'izao eo amin'ny famaritana ny vidin-tsolika raha ny fanazavan'ny mpahay toekarena iray.

Solombavambahoaka nivadika ho HVM : tsy nihaino ny feon’ireo nifidy azy

0
Nampiseho ny heriny ny vola teny amin'ny Paon d'or Ivato. Nifemezivezy teny an-toerana ireo mpikambana teo anivon'ny governemanta hatramin'ny Praiminisitra lehiben'ny governemanta, nitady ny fomba rehetra ampandaniana ny lalàna mifehy ny fifidianana.