Archives quotidiennes: 5 avril 2018

Antoko MMM : mitaky ny hampiatoana ireo solombavambahoaka nandray kolikoly

0
Manameloka ny fomba fandaniana ny lalàna mifehy ny fifidianana teny anivon'ny antenimieram-pirenena ny antoko Malagasy Miara Miainga raha ny nambaran'ny filohany. Takian'izy ireo ihany koa ny hanaovana fanadihadiana sy ny hampiatoana ireo solombavambahoaka voakasika amin'ny kolikoly tamin'ny nandaniana ny volavolan-dalàna fehizoro mifehy ny fifidianana.

Parlemanta roa tonta : tsy maintsy hanao fivoriana tsy ara-potoana faninefany

0
Sambany teto amin’ny Nosy. Tsy maintsy hisy ny fiantsoana fivoriana tsy ara-potoana faninefany ny Antenimiera roa tonta taorian’iny amboletra nandanian’ny solombavambahoaka mpomba ny fitondrana, ireo volavolan-dalàna hifehy ny fifidianana.

Lalàmpifidianana : melohin’ny maro ny fandaniana azy

0
Ankoatra ny antoko Malagasy miara-miainga, manameloka ny fomba fandaniana ny lalàmpifidianana teny anivon'ny antenimierampirenena ihany koa ny fiarahamonimpirenena, mpanao politika mpanohitra, ny CVDE. Miantso ny fahatongavan-tsainan'ireo andriampanjakana hafa, indrindra ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana manoloana ny lalàna tsy mifanaraka amin'ny lalampanorenana tian'ny fitondrana apetraka etro amin'ny firenena.

Lalàna mahakasika ny ZES : tsy misy tombotsoa ho an’ny rehetra

0
Tokony nasiana ady hevitra matotra mialoha ny fandaniana ny ZES na ny zone economique spéciale natao hamehana teny amin'ny Antenimirampirenena, raha ny fanazavan'ny teo anivon'ny CRAAD OI