Archives quotidiennes: 6 avril 2018

Iraky ny Sadc : tonga eto Madagasikara indray

0
Mandalo eto Madagasikara ankehitriny ny hiraka avy amin'ny SADC tarihin'ny minisitra angolais misahana ny raharaham-bahiny, Manuel Domingos Augusto. Ny alarobia teo no tonga teto ny delegasiona. Manaraka akaiky ny raharaha eto Madagasikara izy ireo raha ny fantatra.

Indostria eto Madagasikara : tsy ampy tosika avy amin’ny fanjakana

0
Na misy aza ny dingana nataon'ny mpandraharaha amin'ny fampiroboroboana ny sehatry ny indostria eto Madagasikara, tsy ampy ny tosika avy amin'ny fanjakana raha ny voalazan'izy ireo. Mandeha ila ihany ny fampivoarana io sehatra, na amin'ny fanampiana ara-bola, na araka ny lalàna, na amin'ny dingana amin'ny fikarakarana taratasy samihafa.  

Kolikoly : nametraka fitarainana teny amin’ny HCC sy ny BIANCO ireo solombavambahoaka miisa 73

0
Nametraka fitarainana teny amin’ny HCC Ambohidahy sy teny amin'ny BIANCO Ambohibao ireo solombavambahaoka miisa 73 manoloana ny voalaza fa trangana kolikoly teny amin'ny Antenimierampirenena nandritra ny fandaniana ireo volavolan-dalàna hifehy ny fifidianana.

Politika eto Madagasikara : maloto sy anjakan’ny kolikoly

0
Tsy politika entina manarina ny firenena no misy eto Madagasikara fa politika maloto entina hitazomana seza. Saika izay ny hevitra niombonan'ireo tanora vao hiditra eo amin'ny sehatra politika. Notolorana tamin'ny fomba ofisialy omaly ireo tanora mivondrona ao amin'ny andiany faha 4 ny Académie des Partis Politiques.