Archives quotidiennes: 9 avril 2018

Ankitsimpo

0
Nivahiny tao anatin'ny fandaharana ny solombavambahoakan'i Manandriana mpikambana ao amin'ny VPM MMM ANDRIANJANAHARY Fanomezantsoa sy ny mpitsara IMBIKI Herilaza nitondra ny hevitra amin'ny maha teknisiana mpahay lalàna. Ahiahy goavana no mipetraka manoloana ny raharaha kolikoly avo lenta eny amin'ny antenimierampirenena raha ny fanehoankevitr'ireo vahiny nasaina ary efa misokatra ny fanadihadiana. Miaina fandrahonana ireo solombavambahoaka ankehitriny ireo solombavambahoaka nitsipaka ny fandaniana ny lalàmpifidianana tamin'ity herinandro ity. Ahiana sahady koa ankehitriny ny hisian'ny krizy politika manoloana ny tsy fifanarahana ankehitriny. Araho avy hatrany izay fanehoankevitra izay.

CNFPPSH : nandray anjara tamin’ny hetsika momba ny asa ho an’ny olona manana fahasembanana

0
Mbola olana eto amintsika ny fidiran'ny olona manana fahasembanana eo amin'ny tontolon'ny asa. Ny fanarahana azy ireo aorian'ny fampiofanana ireo olona manana fahasembanana no isany andraikitra goavana apetrakin'ireo toeram-pampiofanana ho an'ny olona manana fahasembanana ary isan'izany ny CNFPPSH na ny Centre national de formation professionnelle des personnes en situation de handicap.

Edito du 7 avril 2018

0
Fanapotehana firenena faran’izay haingana no azo anambarana ny zava-bitan’ity fitondrana HVM ity tao anatin’ny 4 taona mahery kely nitondrany. Sambany teo amin’ny tantaran’ity Nosy ity no nisy fivoriana tsy ara-potoana in-4 nisesy. Ity fitondrana HVM ity no voalohany teto amin’ny tantaran’ny firenena nahitana Solombavambahoaka maherin’ny 70 nahasahy nijoro fa nisy ny kolikoly tamin’ny fandaniana lalàna teny Tsimbazaza.

Amboaran’ny Filoha : nokaramaina ireo mpijery

0
Asiana peta-tondro miloko manga ny ankihibe havanana, isan'ireo marika atao izany ahafahana mahazo vola amin'ilay fiatrehana ny Filohampirenena io faran’ny tolakandron'ny sabotsy teo tetsy Mahamasina.