Archives quotidiennes: 11 avril 2018

Tsara dia: andrasana ny fankatoavana

0
Mbola andrasana ny fahazoandalana hisidina ho an'ilay kaompania madiniky ny Air Madagascar. isan'ireo paikady entina anarenana ny kaompania malagasy io paikady io raha ny fantatra. Isan'ireo paikady ihany koa raha ny fantatra ny fampitomboana ny sidina ataon'ny kaompania malagasy.  

Lalàmpifidianana 2018 : lany tsy nasiam-panovàna teny amin’ny Antenimierandoholona

0
Lany tsy nasiam-panovana omaly teo anivon’ny Antenimierandoholona teny Anosikely ireo volavolan-dalàna hifehy ny fifidianana miisa 3. Efa araka ny nanampoizana ihany. Haverina eny amin’ny Antenimiermpirenena ireo lalàna ireo hahafahany mandefa izany eny amin’ny Governemanta.  

MRCI : manao ramatahora mpanao gazety sahady

0
Namoaka fanambarana omaly ny Minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny Andrimpanajkana, mampitandrina ireo gazety sy haino amanjery tsy miankina amin’ny lazainy ho fanalam-baraka olona sy fanaparitahana vaovao tsy marina.  

SEFAFI : manahy barofom-pifidianana

0
Toa anatin’ny fanambarana farany navoakany no nilazan’ny SEFAFI, na ny Sehatra Fanaraha-maso ny Fiainam-pirenena fa taorian’ny barofon-dalàna dia ny barofom-pifidianana indray no hirosoan’ny mpitondra ankehitriny.