Archives quotidiennes: 13 avril 2018

Assemblé nationale

0
Nolanian’ireo solombavambahoaka maherin’ny 50 tonga niatrika ny fivoriana azon’ny rehetra natrehina omaly, iny fanovàna ny andininy sasany ao amin’ny lalàna mifehy ny fidiram-bolany vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana.

Antso Manamboninahitra

0
Nanao antso avo omaly maraina ireo Jeneraly sy manamboninahitra ambony eto amin'ny firenena, izay efa tsy am-perinasa intsony saingy mijoro ho an'ny tanindrazana. Antso izay miantefa mivantana ho an’ny mpitondra ankehitriny, ny mpitandron'ny filaminana am-perinasa ary ny vahoaka Malagasy. Araho ary izany antson'ny Jeneraly sy manamboninahitra ambony mijoro ho an'ny tanindrazana izany.

Lalàna fehizoro

0
Araka ny efa niaraha-nahita ireny dia lany tsy nasiam-panitsiana teny amin’ny Antenimierandoholona ireo volavolan-dalàna fehizoro hifehy ny fifidianana. Raha ny lahadinika hita eny amin’ny Antenimierampirenena dia hiverina eny Tsimbazaza ireo volavolan-dalàna ireo ny Alatsinainy faha-16 aprily amin’ny 10 ora maraina.

Sarandalana

0
Taorian'ny fanambarana nataon'ny UCTU omaly mahakasika ny fampiakarana ny saran-dalana eto Antanananarivo sy ny manodidina naneho ny heviny ireo olon-tsotra sendra ny mpanao gazetin'ny kolo tv/fm androany. Tetsy ankilany, nampiantso ny mpanao gazety ny eo anivon'ny ATT sy ny UCTU omaly tolakandro, taorian'ny fifampiresahan'ny roa tonta.