mercredi 24 avril 2024

Archives quotidiennes: 23 avril 2018

Lapan’ny tanàna : hitohy ny hetsika

0
Tohin'ny raharaha ny sabotsy teo teny Analakely . Raha toa ka saika nentina teny amin'ny lapan'ny tanàna ireo razana omaly, voadidin'ny mpitandron'ny filaminana ny toerana. Na teo aza ireo andian'olona saika hanararotra ny hetsika, nilamina amin'ny ankapobeny ny teny Analakely. Hitohy ny hetsika.

K3F : nanameloka ny herisetra

0
Manameloka ny tranga niseho teto amin'ny firenena ny Sabotsy teo ihany koa ny avy eo anivon'ny Komitin'ny Fahamarinana, Fandriampahalemana ary Fiadanana na ny K3F. Miara ory amin'ireo niharam-boina ary mirary fahasalamana ho an'ireo naratra. Maneho ny tsy fahafehezan'ny fitondrana ankehitriny ny toe-draharaha eto amin'ny firenena intsony ny zava-misy ankehitriny raha ny voalazan'izy ireo. Leo amin'ny fiainana sarotra iainan'ny firenena ny vahoaka, araka ny antso efa nataon'ny fivondronamben'ny Eveka hatrany.

HJRA: Niniana natao ny nampitarazoka ny famoahana ireo maty voatifitra teny Analakely.

0
Niniana nampitarazohana ny famoahana ireo vatana mangatsiakan'ireo olona maty voatifitra teny Analakely raha ny nambaran'ny fiankavian'izy ireo izay efa teny amin'ny tranompatin'ny HJRA nanomboka tamin'ny 7 ora maraina. Tamin'ny 11 ora no nanomboka nivoaka ireo rzana ary nentina namonjy ny fonenany.

Vondrona Eropeana : manameloka ny herisetra teto amin’ny firenena

0
Namoaka fanambarana ihany koa ny vondrona eropeana manoloana ny toe-draharaha misy eto amin'ny firenena. Manameloka ny herisetra niseho teto amin'ny firenena, indrindra ny fahamoizana ain'olona.