Archives quotidiennes: 24 avril 2018

Declaration préfet

0
Raha toa ka nilaza ny filohan'ny Repoblika afak’omaly, nandritra ny tafa nataony tamin'ny haino amanjery sasan-tsasany niantso ny mpitandro filaminana hanakana ny fidirana ao amin'ny Lapàn'ny Tanàna, nilaza kosa ny Préfet de Police Antananarivo omaly maraina fa baiko ho fiarovana ny fihoaram-pefy ihany no nomeny ny mpitandro ny filaminana.

Factuel Analakely et ambiance

0
Namono lolo vao maraina saingy nilefitra rehefa atoandro. Izay ny zava-nitranga teny Analakely omaly maraina manoloana ny hetsik'ireo Solombavambahoaka sy ny fandraisana ny vatana mangatsiakan'ireo namoy ny ainy. Tsy nisy ny fifandonana, tafiditra tao amin'ny lapan'ny tanàna ny olona , ny Solombavambahoaka ary ny razana.

Factuel Famangiana

0
Tonga teny amin'ny Parvis Analakely niara ory tamin'ireo mana-manjo nahafoy ny ainy ho an'ny tanindrazana ireo mpitarika antoko politika toa ny Filohan'ny Antoko Malagasy Miara-Miainga, ny Filohan'ny Tetezamita teo aloha Andry Rajoelina sy ny Filoha teo aloha Ravalomanana. Tao anatin'ny filaminana no nanatanterahana izany.

Fanambarana MDN

0
Fotoana fohy taorian'ny fanambarana nataon'ny prefet de police omaly maraina, nanao fanambarana ihany koa ny minisitry ny fiarovam-pirenena mikasika ny fanakanana hiditra teny amin'ny Lapàn'ny Tanàna. Tsy manatanteraka iraka manokana mifanohatra amin'ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ireo mpitandro filaminana raha ny fanambarana nataon'ny minisitry ny fiarovam-pirenena. Ankoatra ny fiarovana ny vahoaka sy fialana amin'ny mety hisian'ny korontana no anton'ny fisitahan'ny mpitandro filaminana raha ny fanazavana hatrany.