Archives quotidiennes: 25 avril 2018

Solombavambahoakan’ny fanovana : ho eny amin’ny fitsarana Anosy sy HCC Ambohidahy androany

0
Fintin'ny tontolo andro omaly teny amin'ny lapan'ny tanàna Analakely sy ny fandraisam-pitenenan'ireo solombavambahoaka fa ho eny amin'ny lapan'ny fitsarana Anosy izy ireo sy ny fianakavian'ny manam-pahoriana hitory ireo izay nandatsa-drà ary ho eny amin'ny fitsarana avo momban'ny lalampanorenena ihany koa.

Fifidianana 2018: Mila lalàmpifidianana eken’ny rehetra.

0
Tokony foanana ny lalàmpifidianana lany teo ary haverina hodinihin'ireo solombavambahoaka, na ny lalàmpifidianana nampiasaina niatrehana ny fifidianana 2013 no enti-mitraika ny fifidianana amin'ity taona ity. Izay no anisan'ny nisongadina tamin'ny fanambaran'ny UNRRM na ny union nationale pour la refondation et la reconstruction de Madagascar sy ny fikambanana tsy miankina iray. Ankilany ihany koa ny KMF CNOE manamafy ny fitakiana fifidianana eken'ny rehetra.

Polisim-pirenena : samy maneho ny heviny ireo milaza ho lohan-dohany

0
Manohana ny hetsiky ny solombavambahoaka ho an'ny fiovana ny sendikan'ny mpiasan'ny jirama sy ny Sendikan'ny Inspecteur de Police ary ny Sendikan'ny Brigadier et agent de police izay manambatra ny maro an'isa indrindra eo anivon'ny Polisim-pirenena. Ny hariva teo nefa, nanao fanambarana nitsipaka ny fanambaran'ireo sendika ireo ny tomponandraikitra ambony eo anvion'ny polisim-pirenena.

Kolikoly teny amin’ny antenimieram-pirenena : tsy misy mipika ny tohin’ny fanadihadiana

0
20 andro taorian'ny fitoriana napetrak'ireo solombavambahoaka mitsipaka ny fandaniana ny lalàmpifidianana teny amin'ny BIANCO, tsy misy mipika ny valin'izay fanadihadiana izay. Raha nanontaniana mikasika izay ny tale jeneralin'ny BIANCO dia nilaza fa tsy mbola misy azo ambara hatreto.