samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 2 mai 2018

Solombavambahoaka hoan’ny fanovana : nilaza ny tsy nahatongavany tamin’ny fampiantsoan’ny FFKM

0
Manoloana ny fampiantsoana nataon'ny FFKM an'ireo solombavambahoaka miisa 73 hoan'ny fanovana sy ireo solombavambahoaka manohana ny fitondrana HVM, nanamafy ireo solombavambahoaka hoan'ny fanovana fa miankina amin'ny vahoaka no anapahan'izy ireo hevitra. Tsy mifanaraka amin'ny fitakiana nataon'izy ireo ihany koa ny fiantsoana raha ny voalaza.  

Fitondrana HVM : manitsakitsaka ny zo fototry ny mpiasam-panjakana

0
Voahitsakitsaka ny zo fototry ny mpiasam-panjakana, izay no nivoitra nandritra ny fandraisam-pitenenana sy ny sora-baventy nentin'ireo mpiasam-panjakana nandritra ny diabe niainga teny Mahamasina nihazo ny lapan'ny tanàna Analakely. Ny fialan'ny filohampirenena no vahaolana hoy izy ireo manoloana izany.

Solombavambahoaka ho an’ny fanovana : miantso ny fandraisan’andraikitra haingan’ny HCC

0
Voahitsakitsaka ny sosialim-bahoaka, manjaka manerana ny nosy ny tsy fandriam-pahalemana ka tokony hametra-pialana ny filohampirenena hoy ny solombavambahoakan'i Bealanana voafidy tamin'ny antoko Malagasy Miara Miainga. Miantso ny fandraisan'andraikitry ny HCC ireo solombavambahoaka ho an'ny fanovana hamaly ny requête napetrak'izy ireo ny 25 aprily teo.

Solombavambahoaka ho an’ny fanovana : tsy nanatrika ny fanokafana ny fivoriana ara-potoana

0
Niara-nankalaza ny fetin'ny asa teo amin'ny lapan'ny tanàna Analakely niaraka tamin'ny sendikan'ny mpiasa ny solombavambahoaka. Tsy nanatrika ny fisokafan'ny fivoriana ara-potoana teny amin'ny Antenimerampirenena ihany koa ireto solombavambahoaka ho an'ny fiovana ireto.