samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 11 mai 2018

Faritra Itasy : tsy ekena intsony ny kolikoly manimba ny fiainam-bahoaka.

0
Teboka 3 lehibe no ahitana ny tranga na kolikoly ao amin'ny faritra Itasy ka mahatonga ireo solotena avy any an-toerana hanohana ny hetsika ho an'ny fanovana iarahana amin'ireo solombavambahoaka 73. Tokony hisy ny fanadihadiana sy ny fampiharana ny lalàna momba izany hoy izy ireo.

Mpanelanelana vahiny : mihaona mangingina amin’ireo mpitondra teo aloha

0
Mihaona amin'ireo mpitondra firenena teo aloha ireo iraka avy amin'ny sehatra iraisam-pirenena raha ny vaovao voaray ankehitriny. Fihaonana izay mampanahy ny maro noho vokatr'izany teto amin'ny firenena tahaka ny nitranga ny taona 2009.

SECES Antananarivo : tsy hitondra vahaolana eto Madagasikara ireo mpanelanelana vahiny

0
Naneho hevitra mikasika ny fahatongavan'ireo iraka iraisam-pirenena tonga eto Madagasikara ihany koa ny sendikan'ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra. Tsy hitondra na inona na inona ho vahaolana eto amin'ny firenena ny fahatongavan'ireo vahiny ireo, raha ny hevitry ny Malagasy, hoy ny SECES Antananarivo.

Ambohijanaka : nanimba fotodrafitrasa ary naharatrana olona ny fanapoahana vato

0
Nanimba fotodrafitrasa maro ary naharatrana olona ihany koa ny fanapoahana vato nataon'ny orinasa iray eny Ambodiakondro, Ambohijanaka. Mitebiteby vokatr'izany ireo mponina eny an-toerana ary manao antso avo mba hijerena akaiky ny zava-misy eny an-toerana.