vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 14 mai 2018

13 Mai : aiza ny mpitondra fanjakana?

0
Nandritra ny fahatsiarovana ny 13 Mai omaly, tsy hita teny an-toerana ny mpitondra fanjakana na ireo solotena nanamarika izany. Tolona ho an'ny tanindrazana no tsahivina ka tsy tokony hisy fizarazarana na fanavakavahana. Miharihary izao fa tsy ny fitiavan-tanindrazana no mibaiko ny mpitondra hoy ireo sendra ny mpanao gazety.  

EDITO du 14 mai 2018

0
Mihazakazaka manao fanelanelanana amin’ny zava-misy eto Madagasikara ankehitriny na vahiny na Malagasy. Milaza ireo vahiny fa tsy mitsabaka amin’ny raharahan’ny samy Malagasy nefa dia indro fa manery tsotra izao ny mpitolona hiray latabatra amin’ny mpitondra mpamono olona. Ny Gasy milaza ho mpanelanelana indray, kajikajy hifampizarana seza no maha-maika.  

Solombavambahoaka ho an’ny fanovana : nanamafy ny tolona teny amin’ny kianjan’ny 13 mai

0
Ankoatra ny hetsika fanamarihana ny andron'ny 13 mai teny Analakely, nanamafy ny tolona nataony ihany koa ny solombavambahoaka ho an'ny fanovana. Tsy mampihemotra azy ireo sy ny vahoaka miaraka aminy amin'ny tolona ny fihetsiky ny filohampirenena ankehitriny amin'ny fizirizirana tsy hiala amin'ny toerany. Mitohy hatrany ny fitakiana ny fialan'ny filohampirenena sy ny governemanta miaraka aminy raha ny voalaza hatrany.  

13 mai 1972 : mitohy ny tolona

0
Nomarihina tamin'ny fotoam-bavaka sy fijoroana vavolom-belona ny andron'ny 13 mai teny Analakely. Mitovy amin'ny fitakiana ataon'ny solombavambahoaka ankehitriny ny tolona tamin'ny taona 1972 raha ny voalaza.