vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 15 mai 2018

Famoahana ny lalàm-pifidianana hanankery: Hiteraka krizy aloha, mandritra sy aorian’ny fifidianana.

0
Tsy azo ihodivirana ny hisian'ny krizy mandritra sy aorian'ny fifidianana amin'ity taona ity hoy ny mpahay lalàna manoloana ny namoahan'ny filohampirenena fa manankery ny lalàmpifidianana. Ankilany, miantso amin'ny fanajana lalampanorenanana ny praiminisitra raha toa ka fandikan-dalàna no hita tamin'ny fitantanana raharahampirenena tato anatin'ny efatra taona.

Antoko Malagasy Miara-Miainga : manamafy ny fitakiana ny fialàn’i RAJAONARIMAMPIANINA Hery

0
Ny Antoko Malagasy Miara-Miainga tao aorian’ny fivorian’ny Birao Politika omaly faha-14 Mey 2018 dia nanao taratasy misokatra manamafy ny fitakiana izay efa nataony.  

Fitokonan’ny mpiasan’ny M2PATE: manohitra ny fampiharana ny lalànan’ny ZES

0
Hitohy ary tsy hitsahatra ny fitokonan'ireo mpiasa eo anivon'ny M2PATE. Mivondrona amin'izany ny mpiasan'ny Topographie, ny Domaine sy ny M2PATE amin'ny ankapobeny. Ankoatry ny fitakiana izay tsy nisy valiny efa hatry ny ela teo anivon'ny sampandraharahan'ny Domaine, manohitra ny fampiharana ny lalànan'ny ZES ireo mpiasa amin'ireo sehatra 3 ireo.

Solombavambahoaka ho an’ny fanovana : hihamafy ny fitakiana amin’ity herinandro ity.

0
Hihamafy ny fitakiana mandritra ity herinandro ity hoy ireo solombavambahoaka ho an'ny fanovana. Tsy ekena intsony ny fizirizirian'ny mpitondra eo amin'ny fitondrana. Manainga ny vahoaka malagasy rehetra araka izany izy ireo hanatevin-daharana ny fitakiana.