vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 17 mai 2018

Mpiasan’ny Air Madagascar : manohana ny tolon’ny solombavambahoaka ihany koa

0
Nivoaka tamin'ny fahanginana ireo mpiasan'ny Air Madagascar nampiseho ny tsy fankasitrahany ny fitondrana ankehitriny sy ny fanaovana tsinontsinona ny orinasa. Nanao diabe niainga avy any amin'ny seranam-piaramanidina ireo mpiasa niaraka tamin'ny solontenan'ny solombavambahoaka ho an'ny fanovana ary nihazo ny kianjan'ny 13 Mai.

HCC : andrasana ny didy fametraham-pialan’ny filohampirenena

0
Any amin'ny fitsarana avo momban'ny lalampanorenana ny mason'ny vahoaka malagasy ankehitriny, miandry ny déchéance na ny didy ho fametraham-pialan'ny filohampirenena. Efa voarain'ny filoha ny alatsinainy teo ny fangatahana ny fametrahampialany raha ny voalaza.

Solombavambahoaka ho an’ny fanovana : eo ampelatanan’ny HCC ny ho avin’ny firenena.

0
Eo ampelatanan'ny HCC ny ho avin'ny firenena Malagasy hoy ireo solombambahoaka ho an'ny fanovana sy ny vahoaka Malagasy. Ny fitakiana ho an'ny fanovana izay nihamafy kokoa araka ny efa nampitaina teto amin'ny fampahalalam-baovao.

Ivon-ketra manerana ny Nosy : Manohana ny fitakian’ny solombavambahoaka ho an’ny fanovana

0
Herinandro izao no nanaovan'ny ivon-ketra manerana ny Nosy fitokonana faobe. Nanamafy ny filohan'ny sendikalin'ny sampandraharahan'ny hetra manerana ny Nosy fa ankoatry ny fitakiana ataon'izy ireo, manohana ny tolona tarihan'ny solombavambahoaka ho an'ny fanovana ihany koa izy ireo.