vendredi 19 avril 2024

Archives quotidiennes: 18 mai 2018

SYNAD : tsy manaiky ny fanaovana tsinontsinona ataon’ny mpitondra fanjakana

0
Taorian'ny fampiantsoan'ny STAFF Technique teo anivon'ny ministeran'ny asam-panjakana na ny Fop, nanao fanambarana ny SYNAD na ny Syndicat National des Administrateurs Civils fa tsy ankasitrahan'izy ireo ny fanaovana tsinontsinona ny administrateurs civils.

ITM 2018 : ho tanterahana ny faha-31 Mai ka hatramin’ny faha-3 Jona

0
Ho tanterahana ny faha 31 Mai ka hatramin'ny faha 3 ny volana Jona izao ao amin'ny Village VOARA ny salon ITM 2018, na ny ny International Tourism Fair Madagascar; izay hetsika ara-kolotoraly sy ara-pizahantany. Tanjona amin'izany ny hampitomboana ny mpizahantany tonga eto Madagasikara. Natao omaly ny fanaovan-tsonia ny fifanarahafa fiarahamiasa tamin'ny mpiara miasa sy mpanohana rehetra.

Sit-in – Solombavambahoaka ho an’ny fanovana : nanatitra fanamarinana fanampiny teny amin’ny HCC

0
Vahoaka maro be no namaly ny antson'ny solombavambahoaka ho an'ny fanovana omaly ary nanantanteraka sit-in teo anoloan'ny HCC. Nanatitra fanamarinana fanampiny tao amin'ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenena ihany koa ireo solontenan'ny solombavambahoaka nandritra ny fotoana.

Tolon’ny solombavambahoakan’ny fanovana : nanao “Sit-in” manoloana ny HCC

0
Hitohy ary tsy hiato ny tolona ho an’ny fanovana. Tsy ho ela intsony ny fandresena raha ny nambaran'ireo solombavambahoakan'ny fanovana. Omaly ankoatry ny fitohizan'ny hetsika tetsy amin'ny lapan'ny tanàna, nifanjohy teny amin'ny fitsarana avo momban'ny lalam-panorenana ireo olona maro be nanampy ireo solombavambahoaka nangataka ny famoahana tsy misy hatak'andro ny valin'ny déchéance.