vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 23 mai 2018

Olan’ny firenena : ahiliky ny fitondrana amin’ny mpitondra tetezamita

0
Fomba fanaon'ny mpitondra ankehitriny ny manilika ny tsy fandehanan-draharaha eto amin'ny firenena rehetra amin'ny fitantanana nandritra ny tetezamita. Tsy misy ny vahaolana mazava aroson'ny mpitondra amin'ny olana iainan'ny vahoaka amin'ny sehatra maro. Ireo tomponandraikitra nandritra ny tetezamita ihany anefa no mbola hita miara-mitantana amin'ny mpitondra ankehitriny.

Tolon’ny fanovana : miandry ny didin’ny HCC ary mitohy ny hetsika

0
Iray volana nitolomana, efa akaiky ny fandresen'ny tolon'ny fanovana. Miandry fatratra ny didy avoakan'ny fitsarana avo momban'ny lalam-panorenana ny rehetra. Raha toa ka niato ny hetsika tamin'ny fetin'ny pentekosta, nitohy izany androany ary tsy hiato intsony mandra-pialan'i Hery Rajaonarimampianina eo amin'ny fitondrana.

Analakely : Vahiny roa nahitana Cocktail Molotov saika napoaka

0
Teratany afrikanina roalahy no tratehaky ny polisim-pirenena tao amin'ny 1ère arrondissement omaly saika hanapoka Cocktail molotov teny an-toerana. Loharanom-baovao azo avy amin'olona tsotra no nahatratrarana izy roalahy ireto raha ny fanazavana.

CENI : Hanolotra daty hanatanterahana ny fifidianana aorian’ny 13 jiona.

0
Hanolotra daty mazava hahafahana manatanteraka ny fifidianana ny CENI aorian'ny faha 13 jiona ho avy izao, raha tsy misy fifanarahana Politika. Na izany aza, tsy tokony hiala amin'ny voasoratra ao anaty lalam-panorenana isika raha ny fanazavana.