Archives quotidiennes: 1 juin 2018

Gazety Telonohorefy : notoriana tamin’ny filazana ny marina

0
Notoriana teny amin'ny Hotel de police Tsaralalana ny tonian-dahatsoratry ny gazety Telonohorefy Soava Andriamarotafika sy ny talen'ny famokarana. Fitoriana vokatry ny famoahana ny lahatsotra mikasika ny zava-misy eo amin'ny orinasa Hazovato sy ny La gazette de la Grande île tamin'ny faha- 9 ny volana martsa lasa teo.

Filoha RAJAONARIMAMPIANINA : tsy mahazaka demokrasia

0
Tsy mahazaka demokrasia ny filoha RAJAONARIMAMPIANINA sy ny ekipany, izay no fehin'ny zava-nisy tany amin'ny kaominina Andramasina tamin'ny omaly. Nenjehina sy norahonana ny ben'ny tanàna, saika ho samborina sy hampiasana hery ny mpanao gazety.

MMM : nanatitra fangatahana fanonganana ireo solombavambahoaka MMM namadika palitao

0
Tonga nanatitra ny requête ho fangatahana fanonganana ireo solombavambahoaka MMM sy ny VPMMM izay namadika palitao teny amin'ny HCC na ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ihany koa ny solombavambahoaka Malagasy miara miainaga omaly.

CFM : tsy tonga nanatrika ny solombavambahoaka ho an’ny fanovàna

0
Nosokafana omaly teny amin'ny CCI Ivato ny fiantsoana fifampiresahana nokarakarain'ny CFM. Tsy nanatrika izany ny solombavambahoaka ho an'ny fanovàna. Nanamafy ny solontenan'ny Mapar teny an-toerana fa ny didy navoakan'ny HCC mikasika ny fanendrena praiminisitra anio no tokony ho tanterahina.