mercredi 17 avril 2024

Archives quotidiennes: 12 juin 2018

OMNIS : ny mpanolontsain’ny Filohampirenena no mpibaiko

0
Mitsabaka tanteraka amin’ny fitantanana ny sampan-draharaha miandraikitra ny solika sy ny harena an-kibon'ny tany ny Filohampirenena RAJAONARIMAMPIANINA Hery amin’ny alalàn’ireo mpanolotsainy, indrindra amin'izao fotoana mafana eto amin'ny firenena hiandrandrana fifidianana andraisan’ny rehetra anjara, madio sy mangaraharaha izao, araka ny navoakan’ny gazety boky Africa Energy Intelligence.

Antoko Malagasy Miara-Miainga : mitaky ny fampiharana ny didy navoakan’ny HCC ny 25 may lasa teo

0
Manohy hatrany ny fitakiana ny hampiarana ny didy navoakan'ny HCC ny 25 Mai lasa teo ny Antoko Malagasy Miara miainga. Tsy mitombona ny filazana fa nisy ny fifanarahana ara-politika raha ny fanazavan'ny Filohan'ny MMM. Mitaky arak'izany izy ireo ny hanatanterahana izany tsy misy hatak'andro, ho fanajàna ny lalàna velona eto amin’ny firenena.

Fananganana governemanta iraisana : tsy nanara-dalàna ny PRM, ny PM ary ny HCC ?

0
Notendrena omaly tamin’ny fito ora alina ny mpikambana eo anivon’ilay governemanta iraisana. Azo ambara tsotra izao fa tsy nanajà lalàna velona indray ny mpitondra. Tsy mifanaraka amin’ny didy navoakan’ny HCC tamin’ny Zoma faha-25 may ho famahana ny krizy io fanendrena io.

Solombavambahoaka ho an’ny fanovàna : maro no tsy hiditra anatin’ny governemanta vaovao

0
Tsy hiditra handrafitra ny governemanta ny ampahan'ny solombavambahoaka ho an'ny fanovàna araka ny nambaran'i RAZAFIMANANTSOA Hanitra, omaly teny amin'ny kianjan'ny 13 mayi. Nanamafy ihany koa ny solombavambahoaka ho an'ny fanovàna ny tokony hanarahana ny didy navoakan'ny HCC.