Archives quotidiennes: 26 juin 2018

Raiamandreny mijoro : miantso ny HCC hamoaka fifanarahana politika raha nisy

0
Ankoatra ny antoko MMM, manamafy ny tokony hamoahana izay fifanarahana politika ihany koa ny ray amandreny mijoro raha toa ka nisy marina izany. Niantefa tamin'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana ny antso nataon'izy ireo.

Toby famokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro – Ampatolampy : an’ny fanjakana sa tsy miankina?

0
Nanaitra ny mpanara-baovao ny filazan'ny filohampirenena nandritra ny fitokanana ny  Toby famokarana herinaratra azo avy amin'ny masoandro tao Ampatolampy ny sabotsy teo fa tetikasan'ny filohampirenena izany. Raha ny fantatra anefa ny orinasa tsy miankina GREEEN YELLOW no nanangana sy mitantana izany. Takiana ny hisehoan'ny mangarahara anatin'izany raha ny fanadihadiana natao.

Lalana Tsarasaotra Ivato : Vola mitentina 184 miliara Ariary hafa no nindramin’ny fanjakana malagasy.

0
Ny volana mey lasa teo no vita sonia ny fifanarahana findramam-bola tamin'ny mpamatsy vola sinoa " Exim bank", ary vola mitentina 184 miliara ariary no nindramin'ny fanjakana malagasy tamin'izany. Fomba fiasa izay nanaitra ny be sy ny maro amin'ny fandaniana sy ny fampiasana ny volam-panjakana.

Tetibola hanatontosana fifidianana: Mila 17 miliara ariary hafa indray ny CENI

0
17 miliara ariary. Io no tetibola takian'ny CENI hanatontosana ny fifidianana ankoatra ny 40 milara ariary voarakitra ao amin'ny tetibolampanjakana 2018 ary efa nambara tany am-boalohany fa ampy hiatrehana ny fifidianana. Ankilany, tetikady hanemorana fifidianana no andraisan'ny mpandinika io filazana tsy fahampian'ny tetibola io indray.
26-juin-2018

Matso

0
26 Jona 1960 - 26 jona 2018, feno 58 taona androany ny nahazoan'i Madagasikara ny fahaleovan-tenany. Hetsika maro no nanamarihana izany nandritra ity volana jona ity. Nisy ihany koa ny matso lehibe teny amin'ny kianjan'ny Mahamasina. Arahintsika ny ampahany tamin'izany.