vendredi 26 avril 2024
Accueil 2018 juin

Archives mensuelles: juin 2018

Governemanta iraisana : tsy mamaly ny hetahetam-bahoaka

0
Nandritra ny adi-hevitra tamin’ny fandaharana Ankitsipo ny Zoma alina lasa teo teto amin'ny KOLO TV, izay nanasana an'i BERIZIKY Jean Omer Praiminisitra teo aloha sy RAZAFIMAHEFA Herimanana mpitondra tenin'ny Vondrona politika MAPAR no nanambaran'izy ireo fa tsy namaly ny hetahetam-bahoaka ny nandrafetana io governemanta io.

Fitrandrahana volamena – Vohilava : mitrandraka an-tsokosoko indray ny vahiny

0
Miverina miasa an-tsokosoko indray ireo vahiny mitrandraka volamena ao amin'ny kaominina Vohilava Mananjary. Nanao fihetsiketsehana manoloana izany ireo vahoaka, tonga nijery ny zava-nisy ihany koa teo anivon'ny CNIDH.

Sendikan’ny mpiasa : tsy mila minisitra HVM

0
Mitovy ny takin'ireo sendikan'ny mpiasan'ny ministera maro amin'ny tsy tokony hanomezana toerana intsony ny HVM hitantana ministera. Fandrebirebena fotsiny ihany ny fanoloana olona raha mbola HVM no hapetraka eo, hoy hatrany ny fanazavan'izy ireo.

EPP Mangotroke – Toliara : tafo lanitra, tsy misy dabilio, mpampianatra tsy mandray karama

0
EPP Mangotroke, any amin'ny faritra Atsimo Andrefana, sekoly izay tsy misy efi-trano fa eo am-body hazo ireo mpianatra no mianatra. Enin-taona ihany koa ny mpampianatra azy ireo tsy nandray tambin-karama.

Tolom-bahoaka ho an’ny fanovàna : mitaky ny fialan’ireo minisitra HVM

0
Mitohy hatrany ny tolom-bahoaka ho an'ny fanovàna. Omaly, nanamafy ny tokony hialan'ireo minisitra HVM ireo solombavambahoaka sy ireo mpianatra eny amin'ny Anjerimanontolo isan'izany ny minisitry ny fampianarana ambony izay nanaovan’izy ireo diabe teny Tsimabazaza.

Tolom-bahoaka ho an’ny fanovàna : hizotra ho eny Mahazoarivo

0
Hizotra ho eny Mahazoarivo ny solombavambahoaka sy ireo vahoaka manao ny tolona ho an'ny fanovàna androany, araka ny nambaran'ny solombavambahoaka ho an'ny fanovana omaly teny amin'ny 13 May. Fitakiana ny hialan'ireo minisitra HVM rehetra no anton-dia eny Mahazoarivo androany, hoy izy ireo.

VPM / MMM : misy misandoka nakana minisitera

0
Nosolokian’ireo Solombavambahoaka mpivadika palitao sy meriseneran’ny Fitondrana HVM ny anaran’ny Vondrona politika VPM / MMM noentina nakana minisitera amin’izao governemanta vaovao izao.

Kianjan’ny 13 Mai : nivadika ho hetsi-bahoaka ho an’ny fanovàna ny fitakiana atao

0
Nivadika ho hetsi-bahoaka ho an'ny fanovana na mouvement populaire pour le changement no iantsoana ny hetsika eny amin'ny kianjan'ny 13 Mai. Tsy ekena intsony hoy izy ireo ny tsy fanarahan-dalana ataon'ny mpitondra, ary tsy ekena ihany koa ny hisin'ireo ministra HVM eo anivon'ny govenrenemanta.

MEETFP : navoaka an-tsokosoko ny entana alina

0
Nisy namoaka an-tsokosoko omaly alina ireo entana teo anivon'ny ministeran'ny fampananan'asa, ny fampianarana teknika ary ny fampiofanana arakasa. Fanaka sy fitaovana nampiasaina teo anivon'ny ministerana no notanterina tamin'izany. Mbola mitohy hatrany ny fanaovana tantely afa-drakotra ny fananam-panjakana araka ny fanazavana.

CENI : tsy mbola namoaka tetiandrom-pifidianana

0
Raha toa ka nilaza ho vonona amin'ny fanantanterahana ny fifidianana ny CENI, tsy mbola namoaka ny tetiandrom-pifidianana indray izy ireo androany. Miandry ny fihaonana amin'ny governemanta vaovao indray raha ny fanazavana nomen’ny CENI omaly.