Accueil 2018 juin

Archives mensuelles: juin 2018

OMNIS : ny mpanolontsain’ny Filohampirenena no mpibaiko

0
Mitsabaka tanteraka amin’ny fitantanana ny sampan-draharaha miandraikitra ny solika sy ny harena an-kibon'ny tany ny Filohampirenena RAJAONARIMAMPIANINA Hery amin’ny alalàn’ireo mpanolotsainy, indrindra amin'izao fotoana mafana eto amin'ny firenena hiandrandrana fifidianana andraisan’ny rehetra anjara, madio sy mangaraharaha izao, araka ny navoakan’ny gazety boky Africa Energy Intelligence.

Antoko Malagasy Miara-Miainga : mitaky ny fampiharana ny didy navoakan’ny HCC ny 25 may lasa teo

0
Manohy hatrany ny fitakiana ny hampiarana ny didy navoakan'ny HCC ny 25 Mai lasa teo ny Antoko Malagasy Miara miainga. Tsy mitombona ny filazana fa nisy ny fifanarahana ara-politika raha ny fanazavan'ny Filohan'ny MMM. Mitaky arak'izany izy ireo ny hanatanterahana izany tsy misy hatak'andro, ho fanajàna ny lalàna velona eto amin’ny firenena.

Fananganana governemanta iraisana : tsy nanara-dalàna ny PRM, ny PM ary ny HCC ?

0
Notendrena omaly tamin’ny fito ora alina ny mpikambana eo anivon’ilay governemanta iraisana. Azo ambara tsotra izao fa tsy nanajà lalàna velona indray ny mpitondra. Tsy mifanaraka amin’ny didy navoakan’ny HCC tamin’ny Zoma faha-25 may ho famahana ny krizy io fanendrena io.

Solombavambahoaka ho an’ny fanovàna : maro no tsy hiditra anatin’ny governemanta vaovao

0
Tsy hiditra handrafitra ny governemanta ny ampahan'ny solombavambahoaka ho an'ny fanovàna araka ny nambaran'i RAZAFIMANANTSOA Hanitra, omaly teny amin'ny kianjan'ny 13 mayi. Nanamafy ihany koa ny solombavambahoaka ho an'ny fanovàna ny tokony hanarahana ny didy navoakan'ny HCC.

Governemantan’ny fampiraisana : tokony hatsangana faran’izay haingana

0
Hatramin'izao ora hampitana aminao ny fampahalalam-baovao izao dia mbola tsy hita taratra ny finiavana avy amin'ny Filohampirenena hanangana ny governemanta iraisana. Hanajà izay voalazan'ny didy navoakan'ny HCC amin'ny fananganana ny governemanta iraisana ve ny Filohampirenena

Fihaonana – Praiminisitra sy ny Solombavambahoaka ho an’ny fanovàna : voaray ny fitakian’ny mpitolona

0
Fampitàna ny fitakian'ny mpitolona eny amin'ny 13 Mai amin'ny no votoatin'ny fihaonan'ny solombavambahoaka ho an'ny fanovàna sy ny praiminisitra afakomaly, araka ny tatitra nataon'izy ireo tamin'ny vahoaka teny an_kianja omaly. Nibahana ihany koa ny mikasika ny fananganana governemanta.

Olom-pirenena : manantena fiovana eto amin’ny firenena taorian’ny fanendrena Praimiminisitra

0
Manantena fiovana eto amin'ny tany sy ny firenena ny olom-pirenena taorian'ny fanedrena ny praiminisitra. Fanovana eo amin'ny fomba fitantanana, ny ady amin'ny kolikoly ary ny fanomanana fifidianana madio sy mangarahara no andrasan'ny olom-pirenena.

Kolonely Lylison René de Roland : nofoanana ny didy fampisamborana sy fanamelohana azy

0
Niakatra Fitsarana Ambony ny fangatahana didy fanohanana ny didim-pitsarana nampisambotra sy nanameloka ny Kolonely Lylison René de Roland tamin’ny volana febroary 2017. Nofoanan’ny Fitsarna Ambony izany androany.

Praiminisitra Christian NTSAY : avy amin’ny vondrona MAPAR tanteraka

0
Maro ireo feo niely taorian'ny fanendrena ny Praiminisitra fa tsy avy amin'ny vondrona MAPAR io praiministra io, nanamafy anefa ireo solombavambahoaka MAPAR omaly tetsy amin'ny kianjan'ny 13 Mai fa avy amin'ny vondrona MAPAR tanteraka io praiministra io, ary tsy mivadika amin'ny tolona niarahana tamin'ny vahoaka ny vondrona MAPAR.

NTSAY Christian : praiminisitra vaovao

0
Hiverenantsika ato anatin'ity fanadihadiana manaraka ity ny ny mombamomban'izay praiminisitra vaovao notendrena izay. Iza marina i Christian NTSAY? Araho ary.