Archives quotidiennes: 2 juillet 2018

TMMM

0
Nisy ny hetsika fizarana arendrina sy kilalao nataon'ny Tanora Malagasy Miara-miainga Mahajanga tamin'ity volana ity, tafiditra tao anatin'ny fankalazana ny fahaleovantena hatrany. Maro ireo ankizy nisitraka izany tany an-toerana

Mandatehezan’ny fanabeazam-pirenena : mitohy hatrany ny fitakiana

0
Nanamafy ny maha iray tsy mivaky azy sy ny fitohizan'ny tolona ny mpampianatra mivondroana eo anivon'ny mandatehezan'ny fanabeazam-pirenena. Araka ny fanazavana, fampisaraham-bazana ny mpampianatra sy famonoana afo ny fitakiana ny resaka voizina fa miverina ny fampianarana.

Datim-pifidianana : tsy fantatra mazava ny hevitry ny TIM

0
Tsy fantatra mazava ny tena hevitry ny antoko politika TIM mahakasika ny datim-pifidianana sy ny fanatantehina ny fifidianana eto amintsika. Nivantana ny Sabotsy lasa teo ny fanehoan-kevitr’i Hanitra RAZAFIMANATSOA fa mbola maro ny lafin-javatra mila vahana mialohan'ny hirosoana amin'ny fifidianana. Androany, nilaza ny filohan'ny Antoko politika TIM fa tsy misy olana aminy ny datim-pifidianana.

Lozam-pifamoivoizana – Kaominina Imerintsiatosika : 4 no maty , maherin’ny 40 no naratra

0
Nitrangana lozam-pifamoivoizana io maraina io tao Andranomena, Kaominina Imerintsiatosika, teny amin'ny lalam-pirenena voalohany . 4 no maty vokatr'izay, maherin'ny 40 no naratra. Isany namoy ny ainy ny mpamily ilay fiara be mpitatitra. Ialana tsiny ety am-piandohana raha toa ka misy sary mety anafitohana ny mpijery ato anatin'ny fanadihadihana.