Archives quotidiennes: 9 juillet 2018

Vavatenina : hatahorana ny halatra lavanila any an-tsaha mandrapisokatry ny taom-piotazana ny 15 jolay

0
Raha toa ka ny 15 jolay izao no fotoana hisokafan'ny tao-piotazana lavanila, dia tara io daty fiotazana io raha ny fanazavan'ireo tantsaha. Ampahany betsaka amin'ireo vokatra eny an-tsahano efa matoy saingy tsy azo hotazana. Mihamafy vokatr'io ny tsy fandriampahalemana sy ny fahasahiranan'izy ireo miandry ny vokatra any an-tsaha mandrapahatongan'io fepotoana io.

Fakana an-keriny misesisesy : mitovy hatrany ny fomba fiadin’ireo mpanao asa ratsy

0
Saika nahitana famakiana fitaratra avokoa ny famahana ny fiara mitondra ireo olona alaina an-keriny nitranga tatao anatin'ny fotoana fohy. Raha tsy hilaza afatsy ny tranga tetsy Antanimena sy ny tranga vao omaly teny Ivandry. Famakiana fitaratra ihany koa no naneren'ny mpitandro filaminana namoahana ny solombavambahoaka Lanto Rakotomanga tamin'ny fotoan'andro. Mitovy fomba fanao ny mpitandro ny filaminana sy ny mpaka an-keriny eto amintsika. Fomba fanao izay mampiahiahy ny mpanara-baovao.

Edito du 07 juillet 2018

0
Na inona ambara na inona lazaina, ny tsy fisian’ny fifampatokisana intsony eo amin’ny samy Malagasy no fototry ny krizy misy ankehitriny. Ireo fomba nampandaniana ny lalàmpifidianana sy ny fanoheran’ireo Solombavambahaoaka miisa 73 nomban’ny vahoaka izany no porofo mivaingana amin’izay tsy fisian’ny fifampatokisana izay intsony. Ao anatin’izay tsy fifampatokisana izay anefa no tsy maintsy hanatontosana fifidianana izay ho Filohampirenena ka asakasak’izay mpanao itsin-dalan-dririnina tsy hampiatra ny mangarahara amin’ny fikarakarana izany.

Fanakatonana ny lisea St Vincent de Paul Ambatonilita : manohitra hatramin’ny farany ireo ray aman-dreniny

0
Tohin'ny raharaha fanakatonana ny lisea saint Vincent de Paul Ambatonilita. Manamafy ny fanoherana hatramin'ny farany ireo ray aman-drenin'ny mpianatra sy ny mpitantana ny sekoly ary miantso ny fijeren'ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ity raharaha ity