vendredi 19 avril 2024

Archives quotidiennes: 13 juillet 2018

Fifidianana 2018 : mila mamerina ny fitokisan’ny olompirenena ny HCC

0
4-bolana latsaka hiatrehana ny fifidianana Filohampirenena fihodinana voalohany, mila mamerina ny fitokisan’ny olompirenena ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana hahatomombana ilay fifidianana ambara fa ho eken’ny rehetra, hoy ny mpahay lalàna nanaovana fandihadiana.

Fitsarana manokana miady amin’ny fanondranana andramena sy hazo mainty : tafapetraka ihany

0
Tafapetraka ny Zoma faha-13 jolay ny fitsarana manokana miady amin’ny fanondranana andramena sy ny hazo mainty eto Madagasikara. Araka ny fanazavana, ny tsy fahampiana ara-bola no antony tsy nijoroan’ity rafitra ity hatramin’izay. Ao anatin’ny enim-bolana no tsy maintsy hamoahan’ity rafitra ity didim-pitsarana mahakasika ireo raharaha andramena miisa 79 araka ny fanazavana.

Dinan’ny Melaky : naverina napetraka indray tamin’ity androany ity

0
Naverina napetraka indray ny dinan'ny tsy mimpoly tao an-tampotananan'i Maintirano tamin'ity androany ity. Tapa-kevitra tanteraka amin'ny famerenana ity dina ity ireo mponina any an-toerana mba hamerenana indray ny fandriampahalemana any amin'iny faritra iny.

SSM : manaraka akaiky ny fitoriana napetraka teny amin’ny Bianco

0
Afaka 2 herinandro no ho fantatra ny ampahany amin'ny valin'ny fitoriana napetraky ny solidarité syndicale de Madagascar teny anivon'ny Bianco. Izay no isan'ny nivoitra nandritra ny fihaonana teo amin'ny roa tonta ny marainan’ny Zoma faha-13 jolay lasa teo teny amin'ny Bianco Ambohibao.

Kaominina Antananarivo Renivohitra : mirongatra tanteraka ny fanorenana tsy ara-dalàna

0
Nirongatra tanteraka ny fanorenana tsy ara-dalàna ato anatin’ny kaomina Antananarivo Renivohitra. Efa tafiakatra ny 200 ny fanorenana tsy ara-dalàna hita, hoy ny teo anivon’ny ministeran’ny fanajariana ny tany. Voakasiky ny fanotofana tsy ara-dalàna avokoa hatramin’ireo toerana voarara sy tsy azo hanorenana.

HCC : tsy mbola namaly ireo fitoriana marobe tonga tao aminy

0
Hatramin’izao, mbola tsy namoaka didim-pitsarana mahakasika ireo fitoriana managataka ny fampihatoana ireo Solombavambahoaka nivadika palitao ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Tsy nahenoam-peo ihany koa ity Fitsarana ity ny amin’ny fampiharana ny didy navoakany tamin’ny Zoma faha-25 may lasa iny sy ny amin’ny fisian’ny fifanarahana politika na tsia.

Ambohidratrimo : mihenjan-droa ny tady eo amin’ny Ben’ny Tanàna sy ireo mponina

0
Toherin'ireo mponina ao amin'ny kaominina Ambohidratrimo ny fanotofana tany sy fandrodanana trano kasain'ny kaominina ho atao. Antony, fambolena maro no efa tototry ny tany, tsy nisy ny fanonerana hatramin'izao. Etsy ankilany ny ben'ny tanàna manambara fa hitohy ny asa fanotofana hanatanterahina tetik'asan'ny kaominina.

Raharaha CEG Analamahitsy : manameloka ny famarotana ny sendikan’ny mpampianatra

0
Melohin’ny sendikan’ny mpampianatra ny famarotana na fikasana famarotana ny tany misy sekolim-panjakana eto Madagasikara, taorian’ny resabe manoloana ny raharaha CEG Analamahitsy. Nanambara kosa ny sendikan’ny mpitsara Malagasy androany fa tsy tao anatin’ny mangarahara ny fifanarahana sy ny momba io tany misy ny CEG io.