mercredi 24 avril 2024

Archives quotidiennes: 14 juillet 2018

Edito du 14 juillet 2018

0
Hanao ahoana ihany ny amin’ireo fanadinam-panjakana tokony ho hatrehin’ny zaza Malagasy ? Tsy hita beny ihany hatreto. Velom-panahiana ny ray aman-dreny. Tsy mitombon-tsaina ireo mpianatra. Hisy ihany sa tsy hisy ny fanadinana amin’ity taona ity. Ahiana mafy ny haha taona fotsy ity taona ity.

Fetim-pirenena Frantsay : nihompana betsaka tamin’ny fifidianana sy ny fakana an-keriny ny lahatenin’ny Masoivoho Frantsay

0
Manohana ny fanatanterahana fifidianana malalaka, tsy manavaka ary mangarahara ao anatin’ny fe-potoana mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana i Frantsa. Io no nivoitra nandritra ny kabarin’ny Masoivohon’ny Frantsa eto Madagasikara, nandritra ny fankalazana ny datin’ny 14 jolay. Mahatsiaro ho tandindomin-doza amin’ny fakana an-keriny eto amintsika ihany ny teratany vahiny raha ny fanazavana.

Maintirano : 2 isan-kerinandro ny olona voan’ny bala miditra hopitaly

0
Olona 2 isaky ny herinandro farafahakeliny ny olona voan'ny bala miditra hopitaly ao Maintirano, ankoatr'ireo voatsatoka’antsy sy lefona ary voavelin'ny bois rond. Mandry tsy lavoloha ny mponina ary very fanantenana ny amin'ny ho avin'izy ireo. Hatreto tsy mbola misy vahaolana azo tsapain-tanana avy amin'ny mpitondra fanjakana.

Fifanarahana politika : manjavozavo tanteraka

0
Tsy fantatra mazava ny marina mahakasika ny fisian’ny fifanarahana politika teto Madagasikara hatramin’izao. Nambaran’ny filohan’ny CFM na ny Conseil du Fampihavanana Malagasy nandritra nyfankalazana ny fetim-pirenena frantsay, fa tsy anjaran’ny CFM ny fanaovana izany, ny fampifanantonana ireo mpanao politika no nataon’ny CFM raha ny fanazavana.