Archives quotidiennes: 17 juillet 2018

Minisitry ny tontolo iainana tany Port Bergé : nanolotra vahaolana maharitra

0
Ny 22 jona 2018 lasa teo dia nisy ny fanimbana sy fandorana fananam-panjakana sy biraom-panjakana nataona andian’olona maromaro tao Port Bergé. Betsaka ny zavatra simba tamin’izany ka tafiditra tamin’ireo simba fananana tamin’izany ny Ministeran’ny Tontolo iainana, ny Haivoahary ary ny Ala satria dia may kilan’ny afo ny Birao tany an-toerana, ny fitaovana sy ny antontan’taratasy rehetra.

Sendikan’ny mpampianatra : tsy maintsy tratra ny fandaharam-pianarana raha voavaly ny fitakiana

0
Angatahan’ireo mpampianatra mpanabe miotokona ny hanemora ny fanadinam-panjakana 2 na 3 herinandro raha toa ka voavaly amin’ity herinandro ity ny fitakian’izy ireo. Tsy nahazoana fanazavana kosa ny teo anivon’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Ny herinandro teo raha tsiahivina, nilaza ny minisitra fa tsy hisy fihemorany ny fanadinam-panjakana.

Sekoly tsy miankina : efa vonona ny amin’ny fiatrehana ny fanadinam-panjakana

0
Efa eo am-pamaranana ny fandaharam-pianarana ny ankamaroan’ny sekoly tsy miankina amin’izao tapaky ny volana jolay izao. Efa mivonona ihany koa amin’ny fiatrehana ny fanadinam-panjakana izay ho avy eo izy ireo raha ny fanadihadiana natao.

VMMM : miditra amin’ny andiany faha-7 ny fampianarana mamaky teny sy manoratra

0
Miditra amin'ny andiany faha fito amin'izao fotoana izao ny fampianarana mamaky teny sy manoratra iarahana amin'ny ny vehivavy Malagasy Miara-Miainga. Tao anatin'ny 4 taona, maherin'ny 150 ireo efa nahazo tombotsoa tamin’izany