Archives quotidiennes: 18 juillet 2018

BIANCO : mitohy ny fanadihadiana ireo solombavambahoaka amin’ny resaka kolikoly

0
Tsy namaly ny fiantsoana nataon’ny BIANCO ny ankamaroan’ireo solombavambahoaka voarohirohy tamina raharaha kolikoly nandritra ny fampandaniana ny lalàmpifidianana. Solombavambahoaka 7 tamin’ireo 16 nantsoina ihany no namaly ny antso, hoy ny Tale Jeneralin’ny Bianco.

Justice Internationale : tsy misy tombotsoa ho an’i Madagasikara, hoy ny manampahaizana iraisam-pirenena

0
Omaly no fankalazana ny andro iraisam-pirenena momba ny fitsarana iraisam-pirenena. Tsy misy tombotsoa ho an'ny Madagasikara ny fitsarana iraisam-pirenena na ny « justice Internationale » raha ny fanehon-kevitry ny manam-pahaizana amin'ny fifandraisana iraisam-pirenena. Raha tsy mitingolana ity fitsarana ity efa tokony teo am-pelatanan'ny malagasy ny Iles Eparse raha ny fanazavany hatrany.

CENI : tsy mahatoky ny fahendren’ny mpanao politika Malagasy?

0
3 volana mahery kely mialoha ny hanatanterahna ny fifidianana Filohampirenena fihodinana voalohany no manao antso avo ireo kandidà hanao sonia ny ambarany ho “Pacte des candidats” ny Vaomiera Mahaleotena mikarakara ny fifidianana na ny CENI. Tsy mahatoky ny fahendren’ny mpanao politika Malagasy ve izany ny CENI?

Ristournes – tetikasa Ambatovy : mila mangarahara ny fitantanana azy

0
48 miliara Ariary marina ve ny ristournes tokony alohan’ny tetikasa Ambatovy ao anatin’ny 5 taona, hoy ny mpahay toekarena iray nanaovana fanadihadiana androany? Etsy ankilany, ilaina fangaraharana tanteraka ny fitantanana io vola io mba hisian’ny fampandrosoana marina eo amin’ny kaominina sy faritra voakasik’izany.