vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 19 juillet 2018

Famotsiam-bola eto Madagasikara : miliara maro ny vola voakasiky ny fanadihadiana

0
Nitombo 50% mahery raha oharina ny taona 2016 ny raharaha famotsiam-bola nalefan’ny teo anivon’ny SAMIFIN na ny Sampandraharaha Malagasy Iadiana amin'ny Famotsiambola eny amin’ny fitsarana. Tsy misy tamin’ireo voarohirohy tamin’ny raharaha maro ireo anefa no voasazin’ny lalàna hatreto.

Fitomboan’ny isan’ny birao fandatsaham-bato : ilana fanaraha-maso akaiky hoy ireo mpanao politika

0
Ilana fanaraha-maso akaiky ireo birao fandatsaham-bato manerana ny nosy hoy ireo mpanao politika tamin'ity androany ity hisorohana ny hala-bato. Indrindra taorian’ny fampitomboana isa ireo biraompifidianana ireo. Tokony handray ny andraikitra manandrify azy ny rehetra raha ny fanehon-kevitr'izy ireo, hisian'ny fifidianana madio sy mangarahara.

Fanaratoana tsy ara-dalàna : fatiantoka manodidina ny 350 tapitrisa dolara isan-taona

0
Mihoatra ny 350 tapitrisa dolara isan-taona ny vola very vokatry ny tsy fifehezana ny sehatry ny jono eto Madagasikara raha ny nambaran’ny minisitra tomponandraikitra. Ny tsy fisian’ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina, ny tsy fahampian’ny fanarahamaso sy ny fitiliana ny fanaratoana tsy ara-dalàna no olana raha ny fanadihadiana natao.

Me RAZAFINJATOVO Willy : manohy ny ramatahora sy ny fanampenam-bava ny HVM

0
Manohy hatrany ny manohy hatrany ny ramatahora sy ny fanampenam-bava fanaony ny fitondrana HVM hoy ny mpisolovava, RAZAFINJATOVO Willy. Ny tenany izay namoronana dossier vokatry ny fitsikerana ny fitondrana ka nampiakarina CODIS eo amin'ny holafitry ny mpisolovava omaly.