Archives quotidiennes: 22 juillet 2018

Famorana : misy fiantraikany ratsy ny fanajanonana ny fomba taloha

0
Misy fiantraikany ratsy eo amin’ny zaza lahy ny tsy fampiharana ny fomba fanatontosana ny famorana izany natao fahiny, hoy ny mpandala ny fomba sy ny mahamalagasy nanaovana fanadihadiana. Misy heviny avokoa raha ny fanazavana ny fitaovana rehetra nentina nanaovana io famorana io.

Tompon-tany lasan’ny orinasa QMM : mitaky ny hampiarana izay nifanekena tany am-piandohana

0
Tsy misy nohajain'ny orinasa QMM ny fifanekena tamin'ireo tompon'ny tany izay hampiasain'ity orinasa ity raha ny nambaran'ny solon-tenan'izy ireo tonga eto Antananarivo. Voahitsakitsaaka vokatr'izany ny zon'olombelona sy ny lalàna mifehy ny fitrandrahana, hoy ny fiarahamonim-pirenena nanotrona azy ireo.

Fitakiana sendikaly : hihamafy amin’ity herinandro ity

0
Fitakiana sendikaly samihafa. Hampikatso ny famorian-ketra eto an-drenivohitra ny snedikan’ny mpisan’ny sampandraharahan’ny hetra ny herinandro izao. Tsy hisy ny service minimum raha ny fanazavana. Tsy hisy intsony ny fandraisan-draharaha na ny service minimum. Ho an’ny mpanabe kosa, sendika 8 amin’ny 17 no nanasonia ny fifanaharana ka hiverina hampianatra. Mitohy araka izany ny fitakiana ho an’ireo sendika 11.