vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 26 juillet 2018

Rabary Paul : nitsikera ny antoko HVM

0
Niezaka nanadio tena ny minisitry ny fampianarana teo aloha Paul Rabary taorian’ny nanalana azy tsy ho minisitra sy ny nametrahany fialana tsy ho mpikambana HVM intsony, araka ny valan-dresaka nataony tamin’ny mpanao gazety omaly. Nambarany nandritra io avokoa ny teritery nahazo azy sy ny mpiasa eo anivon’ny Ministera notantaniny, nokianiny ihany koa ny antoko politika nisy azy.

Mpikambana HCC : lasa naka traikefa any Allemagne

0
Hatramin’izao, mbola handrasan’ny rehetra ny valin’ireo fitarainana maro napetraka eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana efa ho roa volana mahery izay. Mampametram-panontaniana ny vahoaka Malagasy ny anton’ny fahanginan’ity Fitsarana ity, tsy mamaly izany fitoriana tonga ao aminy izany.

Mangahazo : azo haodina hasolo vary

0
Vahaolana amin’ny fiakaran’ny vidimbary tato anatin’ny taona vitsy ny fanodinana ny mangahazo, hitovy endrika amin’ny vary ary mahasolo vary. Jifaina amin’ny vidiny mora kokoa ny vokatra azo avy aminy ary tsy voatery handaniana vola be amin’ny famokarana.

Asa tanana vita amin’ny hazo : mahavelona tsara rehefa ilofosana

0
Eo amin'ny lafiny sosialy. Ny asa tanana vita amin'ny hazo indray no entina aminao amin'ity alina ity. Asa tanana izay mila fifantohana araka ny nambaran'i RAKOTOARISOA Prosper izay mpanao asa Tanana vita amin'ny hazo eny Analakely. Araho ato anatin'ity fanadihadian'i Michael Ramarolahy ity ny mahakasika izay.