Archives quotidiennes: 28 juillet 2018

Antoko politika HVM : nametra-pialàna tsy ho filoha nasionaly ny antoko i RAKOTOVAO Rivo

0
Mazava izany izao, fa hirotsaka ho kandidà Filohampirenena i RAJAONARIMAMPIANINA Hery. Nametra-pialana tsy ho filoha nasionalin’ny antoko HVM omaly Zoma faha- 27 jolay i RAKOTOVAO Rivo.

Orinasa Fanalamaga : nijery ifotony ny avy amin’ny minisiteran’ny tontolo iainana

0
Ankehitriny, efa afaka mamokatra kininina hybride ny orinasa Fanalamaga. Ao anatin'ny 6 taona dia azo trandrahina. 700 ha no voavoly hatreto. Tonga nijery ifotony tany an-toerana ny minisiteran'ny tontolo iainana sy ny ala, nijery akaiky ny fikarakarana sy fitrandrahana ny ala izay sahanin'ity orinasa fanalamanga ity.

Fanamboarana borety : isan’ireo asa mampidi-bola

0
Asa iray mahavelona ary isan'ny iveloman'ny fianakaviana maromaro ny fanamboarana borety eto amintsika. Ny fanamboarana izany indray no fanadihadiana fohy mahakasika ny asa madinika ho entina aminao any an-tokantrano amin’ity alina ity.

RNDH 2018 : any amin’ny laharana faha-158 amin’ny firenena 188 i Madagasikara

0
Tao anatin’ny roa taona, nihemotra laharana efatra i Madagasikara teo amin’ny fampandrosoana ny maha olona. Raha tany amin’ny laharana faha-154 isika roa taona lasa dia aty amin’ny laharana faha-158 isika ankehitriny, araka ny RNDH 2018 na ny « Rapport National sur le Développement Humain 2018 »navoakan’ny PNUD.