Archives quotidiennes: 29 juillet 2018

Parapente : fanatanjahantena manomboka miroborobo eto amintsika

0
Ny mikasika ny parapente na ny elon’aina, indray no ho entina aminao manaraka ato anatin’ity fanadihadiana ity. Voasokajy ho sport extrême ny parapente. Fanatanjahantena miaro fialamboly izay efa manomboka mahaliana ny Malagasy.

Fananganana Pylône eny Itaosy : tsy eken’ny mponina ny fametrahana azy

0
Nanao hetsika ireo mponina ao amin'ny fokontany Antanety Kaominina Bemasoandro Itaosy nohon'ny fananganana Pylône ao an-toerana. Efa nisy ny taratasy fangatahana fanatsaharana ny asa avy anivon'nny kaominina, saingy mbola mitohy ny asa hatramin’izao.

Antoko Malagasy Miara Mainga : notanterahina omaly ny fihaonambem-paritra tao Amoron’i Mania

0
Samy voasolotena avokoa ireo mpikambana tamin'ny kaominina miisa 64 ao amin'ny distrika 4 Faritra Amoron'i Mania nandritran'ny fihaonambem-paritra ny antoko Malagasy Miara Miainga notanterahina tao Ambositra omaly Zoma faha- 27 jolay.

Fihetsiketsehana ataon’ny HFI : tsy namaly ny antso ny vahoakan’Antananarivo

0
Tsy namaly ny antson’ny HFI na ny Hetsika hoan’ny Fanorenana Ifotony ny vahoakan’Antananarivo androany. Vitsy ny olona tonga nanotrona ny fihetsiketsehana nokasain’izy ireo atao teny amin’ny lapan’ny tanànan’Antananarivo.