samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 31 juillet 2018

Antoko MONIMA : Tsy mahatoky ny CENI sy ny HCC

0
Tsy azo itokisana ireo mpisehatra mpikirakira ny fifidianana eto amintsika, isan’izany ny CENI sy ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana. Izay no nambaran’ny antoko MONIMA nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety notanterahany androany. Manoloana izany, miantso ny CPA na Conseils des Partis Politiques Africains izy ireo hanara-maso ny fifidianana eto amintsika.

Vehivavy Malagasy miasa : sakana ny kolontsaina

0
Ambany ny salan’isan’ny vehivavy miditra amin’ny tontolo’ny asa oharina amin’ny lehilahy eto amintsika raha ny fanadihadiana natao. Isan’ny sakana mahatonga izany ny lafiny kolontsaina raha ny nambarn’ireo vehivavy sy toponandraikitra nanaovana fanadihadiana. Maro ny ezaka tokony ho atao raha ny fanazavana nandritry ny fankalazana ny andro iraisam-pirenenan’ny vehivavy Afrikanina 2018.

Fitakiana sendikaly : mbola mitohy

0
Raha toa ka efa miomana amin’ny fifidianana ny rehetra, maro amin’ireo hetsika sendikaly no mbola mitohy. Mpiasan’ny fadintserana, minisiteran’ny paositra, minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Isan’ireo nanao fietsiketsehana ihany koa androany ny tetsy amin’ny ENS Ampefiloha.

Sekolim-panjakana : tsy nisy fanadinana hoan’ny telo volana farany

0
Vaovaon’ny fampianarana, tsy nisy ny fanadinana hoan’ny telo volana faran’ity taom-pampianarana ity hoan’ny sekolim-panjakana maro eto andrenivohitra. Araka ny fanazavana, ny fitambaran’ny naoty tamin’ny 3 volana voalohany sy faharoa no hanapaka ny fisondrotana kilasy na tsia ho an’ireo mpianatra.