Accueil 2018 juillet

Archives mensuelles: juillet 2018

Akanjo mafana : mirona makany amin’ny fripy ny safidin’ny mpanjifa

0
Eo amin’ny fiatrehana ny vaninandro ririnina. Ireo karazana “manteau” no lamaody sy be mpanjifa indrindra amin’izao fotoana izao. Nahitana fiakarany ihany koa ny vidin’ireo akanjo mafana izay misy mahatratra 4 alina ariary. Miakatra ihany koa ny fidirambolan’ny mpivaro-boanjo amin’izao andro mangatsiaka izao.

Mpampianatra : noterena hanao ny asany

0
Niova indray ny tetik'ady nampiasain'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena nanakorotanana ny fitakian'ireo mpampianatra, hoy ireo mpampianatra. Raha ny tranga androany, noterena ny sasany tamin'izy ireo tsy maintsy hampianatra indrindra ireo mpampianatra Fram.

Fanamboarana sary : mahavelona rehefa ifotorana

0
Asa tena iray indray no entina aminao amin'ity fanadihadiana manaraka ity. Ny fanaovana sary na ny portraitiste. Io indray no entina aminao , asa efa manomboka mivelatra raha ity asa tena ity no resahina saingy mila finiavana sy fitiavana ihany raha ny fanazavan'ny portraitiste iray nanaovana.

Rano fisotro madio, fahadiovana, fidiovana : ambany ny tahan’ny vahoaka misitraka izany

0
90%n’y vahoaka Malagasy no tsy misitraka ny fahadiovana sy fidiovana ara-dalàna raha ny nambaran’ny fiarahamonim-pirenena misehatra amin’izany. 51% ihany koa no misitraka rano fisotro madio.

Fanorenana ifotony : ny mpitondra ho laniam-bahoaka no hanatontosa azy

0
Manaitra ity hetsika tadiavin’ireo mpanao politika efa fanta-bahoaka ho tontosaina anio etsy amin’ny kianjan’ny 13 may ny amin’izay lazainy ho fanorenana ifotony. Hita mazava fa hetsika ho entina hanemorana fifidianana tsotra izao ity hetsika ity, satria ireo mpanao politika mivondrona ho amin’ity fanorenana ifotony ity sy izay manosika azy avy ato ambadika dia olona hita fa fadiranovana hiatrika izany fifidianana izany.

Hetsika – HFI : misy ambadika politika, hoy ny nanontaniana

0
Misy ambadika politika sy mety ho fatahorana ny fifidianana; io no fanehoan-kevitry ny mpanao politika, sy ny solombavambahoaka nanontaniana androany manoloana ny fisian’ny hetsika kasain’ny HFI na ny hetsiky ny fanavaozana ifotony ho atao iarahana amin’ny sendika anio. Ny fanatontosana fifidianana mialoha ny fotoana araka ny didin’ny HCC ihany no vahaolana eto amin’ny firenena, raha ny fanazavana.

Rallye du Mangoro : norombahan’ny ekipan’i Rivo sy Ando ny amboara

0
Tontosa soa aman-tsara ny 3 ème manche eo amin'ny championnat de magadascar des Rallyes 2018 eo amin'ny familiana fiarakodia. Norombahan'ny equipage Rivo sy Ando ny laharana voalohany tamin’ity fifaninana ity.

Fampianarana : tsy mbola niverina ny fampianarana androany

0
Tsy mbola niverina ny fampianarana ho an'ny sekolim-panjakana raha ny zava nisy teny amin'ireo toeram-pampianarana maro teto an-drenivohitra tamin'ity androany ity. Antony, tsy nanaiky sy tsy nankasitraka ilay fifanaovan-tsonia fifanekena teny amin'ny primatiora ny faran'ny herinandro teo, ny ankamaroan’ireo mpampianatra amin'ny tokony hiverenan’ny fampianarana omaly.

Editorial du 23 juillet

0
Taorinan'ny fifanaovan-tsonia teo amin'ny Praiminisitra sy ireo sendikan'ny mpampianatra sasantsasany. Fanontaniana maro no mipetraka an-tsain'ny mpanara-baovao. Hisy fampianarana ve manomboka anio Alatsinainy? Vahaolana maharitra ve no noraisin'ny fitondram-panjakana. Miroroa saina na ny ray aman-dreny fa indrindra ireo mpianatra.

Famorana : misy fiantraikany ratsy ny fanajanonana ny fomba taloha

0
Misy fiantraikany ratsy eo amin’ny zaza lahy ny tsy fampiharana ny fomba fanatontosana ny famorana izany natao fahiny, hoy ny mpandala ny fomba sy ny mahamalagasy nanaovana fanadihadiana. Misy heviny avokoa raha ny fanazavana ny fitaovana rehetra nentina nanaovana io famorana io.