vendredi 26 avril 2024
Accueil 2018 juillet

Archives mensuelles: juillet 2018

Fitakiana sendikaly : tsy hijanona ny tolona raha tsy mivaly ny fitakiana

0
Tsy misy ny fiverina amin'ny asa raha tsy mivaly ny fitakiana, hoy ireo mpiasam-panjakana maro ao anatin'ny sendika. Misy ny vahaolana fa ny fahavononana avy amin'ny fitondram-panjakana no tsy misy raha ny fanazavan'izy ireo hatrany.

Antoko Malagasy Miara-Miainga : tafiditra mpikambana feno ao amin’ny « Internationale Démocrate Centriste »

0
Noho ny ezaka lehibe nataon’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga dia noeken’ny mpikambana ao amin’ny komity mpanatanteraky ny “Internationale Démocrate Centriste” ny Antoko Malagasy Miara-Miainga nanomboka ny faha-29 jona lasa teo.

Fahantrana : niha lalim-paka tao anatin’ny 4 taona

0
Niha lalim-paka ny fahantrana amin'ny isan-tokantrano raha ny fanadihadiana natao tamin'ity androany. Ny vahoaka tsy mandady harona no mijinja ny vokatry ny tsy fananan'ny mpitondra fanjakana politika maty paika.

CENI : ilàna fangaraharana tanteraka

0
4-bolana mialoha ny hiatrehana ny fifidianana Filohampirenena fihodinana voalohany mialoha ny fotoana dia maro ireo Antoko politika sy fiarahamonim-pirenena ny mangataka ny mangarahara tanteraka amin’ny fikarakaran’ny CENI io fifidianana io. Santionany amin’izany ny amin’ireo olona notendren’ny CENI ho mpikambana eny anivon’ny ratsamangaikany.

TMMM

0
Nisy ny hetsika fizarana arendrina sy kilalao nataon'ny Tanora Malagasy Miara-miainga Mahajanga tamin'ity volana ity, tafiditra tao anatin'ny fankalazana ny fahaleovantena hatrany. Maro ireo ankizy nisitraka izany tany an-toerana

Mandatehezan’ny fanabeazam-pirenena : mitohy hatrany ny fitakiana

0
Nanamafy ny maha iray tsy mivaky azy sy ny fitohizan'ny tolona ny mpampianatra mivondroana eo anivon'ny mandatehezan'ny fanabeazam-pirenena. Araka ny fanazavana, fampisaraham-bazana ny mpampianatra sy famonoana afo ny fitakiana ny resaka voizina fa miverina ny fampianarana.

Datim-pifidianana : tsy fantatra mazava ny hevitry ny TIM

0
Tsy fantatra mazava ny tena hevitry ny antoko politika TIM mahakasika ny datim-pifidianana sy ny fanatantehina ny fifidianana eto amintsika. Nivantana ny Sabotsy lasa teo ny fanehoan-kevitr’i Hanitra RAZAFIMANATSOA fa mbola maro ny lafin-javatra mila vahana mialohan'ny hirosoana amin'ny fifidianana. Androany, nilaza ny filohan'ny Antoko politika TIM fa tsy misy olana aminy ny datim-pifidianana.

Lozam-pifamoivoizana – Kaominina Imerintsiatosika : 4 no maty , maherin’ny 40 no naratra

0
Nitrangana lozam-pifamoivoizana io maraina io tao Andranomena, Kaominina Imerintsiatosika, teny amin'ny lalam-pirenena voalohany . 4 no maty vokatr'izay, maherin'ny 40 no naratra. Isany namoy ny ainy ny mpamily ilay fiara be mpitatitra. Ialana tsiny ety am-piandohana raha toa ka misy sary mety anafitohana ny mpijery ato anatin'ny fanadihadihana.