mercredi 24 avril 2024
Accueil 2018 août

Archives mensuelles: août 2018

Arboretum

0
Loharanom-baovao azo antoka no nahafantarana fa misy tompona gazety tafiditra amin’ny fibodoana sy fakana an-tsokosoko ny “Arboretum” etsy Ambatobe. Ity tompona gazety ity araka io loharanom-baovao io no miezaka manarontsarona sy manao fanelanelana etsy sy eroa hitohizan’ny asa.

Ben’ny tanàna Ambohimahamasina

0
Taorian'ny raharaha fanodikodinana "Subventions exceptionnelles" izay nahavoatonontonana tomponandraikitra ambony teto amin'ny firenena ny taona 2015, naiditra am-ponja omaly ny ben'ny tanàna ao Ambohimahamasina, araka ny loharanom-baovao voaray. Mampametram-panontaniana ny mpanara-baovao ny fivoaran'ny toe-draharaha, indrindra eo amin'ny fampiharana ny lalàna velona tsy misy tokony hanavahana

Calendrier

0
Efa ao anatin’ny fikarakarana sy fanomanana ny fifidianana Filohampirenena tanteraka ankehitriny ny Governemanta. Telo volana mialoha ny hanatanterahana izany dia indro atolotra anao ireo daty tsara ho tadidiana mandra-pahatonga amin’ny fahazoana Filohampirenena

Vidim-bary

0
Nahitam-piakarana Ar 100 indray ny vidin'ny vary eny antsena amin'izao fotoana izao, fiakarana izay tsy tokony ho hisy raha ny hatsaran'ny vokatra farany teo, hoy ireo tantsaha.

Bureau de vote

0
Nitombo 4 786 ny isan’ny biraom-pifidianana hanatanterahana ny fifidianana filohampirenena amin’ny volana Novembre izao raha ampitahaina ny fifidianana teo aloha, araka ny tapaka teo anivon’ny CENI omaly. Hiamafy manoloana io ny fanarahamaso ataon’ny fiarahamonim-pirenena sy ny mpisehatra samihafa.

Démission PAN

0
Tsy misy ny lalàna mametra ny tokony hametrahan’ny filohan’ny andriampanjakana fialana raha toa ka kandida amin’ny fifidianana ny tenany. Tokony hanaja ny etika politika kosa nefa ny tomponandraikitra voakasika raha ny nambaran’ny mpahay lalàna nanaovana fanadihadiana ka hametra-pialana hisian’ny fitovian-jon’ny kandidà.

Coût campagne

0
43 tapitrisa dolara Amerikanina. Io ny vola nolanian’ny Filohampirenena ankehitriny RAJAONARIMAMPIANINA Hery nandritra ny fampielezan-kevitra tamin’ny fifidianana Filohampirenena tamin’ny taona 20136, araka ny fanadihadiana nataon’ny FES Friedrich Ebert Stiftung, izay novatsian’ny Vondrona Eropeana vola. Tsy mbola nisy ohatr’izany eran-tany.

SEMPIDOU : mpiasan’ny fadin-tseranana miisa 98 tapaka karama

0
Mpiasa manodidina ny 98 ao amin’ny fadin-tseranana Malagasy no tapaka karama tamin’ity volana aogositra ity. Hiroso amin’ny fitokonana faobe ireo mpiasan’ny fadin-tseranana manerana ny Nosy rahampitso sy rahafakampitso.

HVM

0
Fampiasana fitaovana sy olom-panjakana samihafa, ireo no anisan’ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny filohampirenena izay sady kandida ihany koa ao anatin’ny fitetezam-paritra ataony sy izay toerana rehetra alehany. Mpisehatra maro nefa no efa nanaitra sy nitaky fandraisana andraikitry ny rafitra voakasika eo anatrehan’izay. Ny fisandratana 2030 izay tsy tafiditra anatin’ny politikam-panjakana ankapobeny.

SEFAFI

0
Notsikerain’ny SEFAFI ny fomba fiasan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana sy ny mpikambana ao aminy araka ny fanambarana navoakan’izy ireo farany. Ny HCC no fototry ny krizy politika maro teto amin’ny firenena hoy ny SEFAFI. Manaitra ny maro amin’ny tokony anjara andraikin’ity andrim-panjakana ity manoloana ny fifidianana filohampirenena manoloana